- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Nodoran’ny dahalo ny trano ary lasany ny omby

Anjozorobe : Nodoran’ny dahalo ny trano ary lasany ny omby

Nitrangana fanafihan-dahalo mivaivay indray mantsy tao amin’ny kaominina Fieferana Marovazaha ny faran’ny herinandro teo. Dahalo maromaro mirongo basy no nandroba fananan’olona tao an-toerana. Tsy vitan’ny nandroba anefa izy ireo fa mbola nodorany izay tsy zakany.

Araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia tokony ho tamin’ny fito ora hariva teo no tonga nanafika tao amin’io tanana io ireo dahalo am-polony maro. Voalaza fa nirongo fitaovam-piadiana ireto farany ary namantana avy hatrany tamina tokatrano iray teo an-toerana. Poa-basy sy tsioka kiririoka toy ny mahazatra no nentin’izy ireo mampitahotra ireo mponina ka tsy nisy sahy nivoaka. Tetsy andanin’izay ihany kosa, namantana avy hatrany tany amin’ny valan’omby izy ireo ary namoaka ireo omby. Mitotaly 16 no lasa tamin’io fotoana io. Tsy vitan’io fangalarana omby io ihany anefa fa mbola nodoran’izy ireo tsy tam-pisalasalàna mihitsy ireo zavatra sarobidy nananan’ity fianakaviana ity ary tsy zakan’izy ireo, toy ny tranon-kisoa, izay mbola nisy an’ireo biby fiompy ireo tao anatiny, ny tranon-tsarety ary fitaovana iray fitotoana vary eo an-tanana. Tao anatina poabasy hatrany moa no nitsoahan’ireto farany, izay entin’izy ireo hampitahorana ihany koa izay olona sahy mibahana ny lalany. Taorian’io vao afaka niantso mpitandro filaminana ireo lasibatra.

Manao sesilany tokoa ny resaka tsy fandriampahalemana any amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, raha ny tsapa tato ho ato. Vao tsy ampy herinandro akory mantsy izay no nisian’ilay vono olona mahatsiravina nitranga tao amin’ny fokontany Kamanja, kaominina Anjozorobe ka nahitàna ny fatin’ilay lasibatra nifatotra tongotra aman-tanana ary notsindriana vato tao anaty rano dia izao nisiana fanafihan-dahalo izao indray. Tsiahivina ihany koa fa mbola samy miandry ny tohin’ilay raharaha  nahavoarohirohy zandary voalaza ho nanolana ankizivavy tany amin’iny kaominina Amboasary ihany koa ny rehetra amin’izao fotoana izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici