- Publicité -
dimanche, octobre 18, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Olona hita faty, efa lanin’ny biby ny ilan-tanana havanana

Anjozorobe : Olona hita faty, efa lanin’ny biby ny ilan-tanana havanana

Lehilahy iray manodidina ny 30 taona teo ho eo no hita faty tao amin’ny fokontany Ambatobe, kaominina Amboasary Avaratra, distrikan’Anjozorobe ny alakamisy lasa teo. Nalevina maimaika ity farany ka nopongarin’ny alika. Ary efa lanin’izy ireo ny ampahany tamin’ny vatany.

Ankizy handeha hitifi-borona no nahita ity tranga mampihoro-koditra ity teo amin’ny toerana antsoina hoe Ampitantsenegaly, 200 metatra miala ny tanana amoron’ny renirano kely. Efa nitangoronan’ny alika teo amin’ilay toerana raha ny voalaza. Ary rehefa nojerena akaiky dia hita fa fatin’olona no hifandrotehan’ny alika. Nampandre avy hatrany ny tompon’andraikitra ireto ankizy ireo ary nidina teo no eo ihany ireo mpitandro filaminana sy ny mpitsabo nijery akaiky ny zava-nisy. Tamin’ny fitiliana ny razana no nahitàna fa efa ho herinandro teo ho eo no maty ity lehilahy ity ary tombonana ho vono olona no nahafaty azy. Nahitàna diam-pamaky maromaro mantsy teo amin’ny lohany raha ny angom-baovao azo, izay heverina fa nitondra azy tamin’ny fahafatesana. Noezahin’ireo mpamono nasitrika sy nalevina ihany ny razana, raha ny tombatombana rehetra tamin’ny fotoana nahitana izany, saingy mety ho nataon’izy ireo maimaika angamba ka tsy natao lalina. Hany ka mora ho an’ny alika no nihady ny tany teo amboniny ary dia io hita efa nifandrotehan’izy ireo io.

Raha ny vaovao azo hatrany dia tsy olona eny amin’ny manodidina ity lehilahy ity faty ity. Tsy nisy nahafantarana azy rahateo moa tany aminy, moa ireo mponina manodidina ihany koa tsy misy mahalala azy. Nankinina tamin’ny fokontany sy ny kaominina moa ny fikarakarana sy ny fandevenana ny razana. Ny raharaha kosa dia efa eny am-pelatanan’ny zandary any an-toerana ho amin’ny tohiny fanadihadiana sy hikarohana ireo olona mety ho nahavanon-doza.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici