Namely indray ny zaza navelan’i Del kely ! Nitrangana fanafihan-dahalo niharo fakana an-keriny indray mantsy tao Betatao Anjozorobe ny talata teo. Raha noheverina fa hiaina am-pilaminana amin’izay ny mponina taorian’ireo fisamborana sesilany ireo olona voalaza fa naman’i Del kely sy nahavoatifitra ity farany, tany amin’iny faritra Anjozorobe sy ny manodidina iny dia mbola tsy izay anefa no tsapan’ireo mponina. Saika mbola miaina ao anaty tebiteby sy horohoro hatrany iny izy ireo, indrindra moa fa any amin’iny tapany avaratra andrefan’ny distrika iny. Ekena, hoy ny fitantaran’ireo mponina sasantsany fa nisy ny fitoniana kely nandritra ny fisian’ireo mpitandro filaminana marobe nanao fampandrian-tany taty, saingy nony nihalasa tsikelikely ireo dia indro fa niverina ihany koa ireo dahalo. Porofon’izay, vao tsy ela fa ny harivan’ny talata lasa teo dia renim-pianakaviana iray no nentin’ny dahalo an-keriny, natao takalonaina tao amin’ny tananan’i Mahalasitra, kaominina Betatao, distrika Anjozorobe. Araka ny antso vonjy nataon’ny zanak’ity lasibatra ity tao anaty tambajotra sosialy dia tokony ho tamin’ny fito ora hariva teo ho eo no tonga nanao amboletra tao an-tokantranon’izy ireo. Nirongo fitaovam-piadiana : basy sy zava-maranitra ireto farany ary nampihorohoro azy ireo, alohan’ny nitondràny an-keriny ny renin’ity farany. Voalaza fa niatsinana ny dian’ireto olon-dratsy ireto taorian’izay. Hatramin’ny omaly aloha dia tsy mbola nandrenesam-baovao ny mahakasika azy, raha ny fampitana avy any an-toerana. Etsy andanin’izay kosa dia fantatra fa efa eny am-panarahan-dia ireto olon-dratsy mpaka an-keriny ireto ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana, rehefa avy nampandrenesina mahakasika ity tranga ity. “Hatreto aloha tsy misy vaovao azo omena fa azo lazaina fa efa manao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo dahalo ary ny famonjena an’ilay renim-pianakaviana izahay”, hoy ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana.
m.L