- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Sady manafika no madoro trano ireo dahalo

Anjozorobe : Sady manafika no madoro trano ireo dahalo

Mirongatra tanteraka ny asan-dahalo ao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Fa ny tena loza, ankoatry ny fakana takalon’aina izay tranga mateti-pitranga any amin’iny faritra iny dia mandoro trano indray izao no ataon’ireo dahalo. Niseho izany ny alin’ny alakamisy 26 febroary hifoha ny Zoma 26 febroary lasa teo. Nahazo antso ny zandary io alina io, tokony ho tamin’ny 9 ora fa misy andian-dahalo nanafika tao amin’ny tanàna atao hoe Ambatomitsangana, fokontany Andravoahangy, kaominina Marovazaha. Omby 25 isa tao am-balan’ny tokantrano iray no norobain’ireo dahalo. Rehefa hitsoaka ireto farany dia mbola nandoro ny tranon’ny tompon’omby ihany koa. Soa fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra nandritra izany rehetra izany. Nidina tany an-toerana avy hantrany ny zandary raha vao nandre izany ka niroso tamin’ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona. Fantatra nandritra izany fa nizara roa ny lalan’ireto mpanafika. Ny andiany iray nianatsimo nihazo ny kaominina Analaroa. Ny faharoa kosa niankadrefana nizotra nankany amin’ny kaominina Ambatomanohina. Hatreto aloha dia mbola tsy nisy vokany izany fanarahan-dia izany, na dia efa nampndrenesina avokoa aza ireo tobim-paritry ny zandary any amin’ireo kaominina manodidina. Mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.

T.M.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici