- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnjozorobe : Toeram-pivarotana norobaina, avy eo nodorana

Anjozorobe : Toeram-pivarotana norobaina, avy eo nodorana

Nitrangana hain-trano goavana tao amin’ny tananan’Andranomisa, kaominina ao ihany, distrika Anjozorobe, ny herinandro nivalona teo iny. Toeram-pivarotana enta-madinika iray no nirehitra tao anatin’izany. Raha ny fanadihadiana dia niniana natao izany fandoroana trano izany. Ary norobain’ireo tsy valahara aloha vao notselariny afo.

Tsy fanafihan-dahalo velively ilay izy, hoy ireo tompon’andraikitra avy any an-toerana fa mety ho lonilonim-piahara-monina na asan-jiolahy. Tokony ho tamin’ny 12 ora alina tany ho any, no nitranga ny loza, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo. Nipetraka tao ambon’ity trano fivarotana ity ireto tompony, izay tsy naheno velively ny fahatongavan’ireo olon-dratsy. Ny setroka nijolofotra tao an-trano, niaraka tamin’ny fofona maimbo rainkona no nanaitra azy rehetra ary niantsoana vonjy tamin’ireo fokonolona. Raikitra teo ny akoralava ary nifandrimbona avokoa ny rehetra teo an-tanana nanao izay fara-herin’izy ireo tamin’ny famonoana ny afo. Efa nanaka-danitra mihitsy tamin’io fotoana io ny lelafo, nandevona ireo rehetra sendra azy. Noho ny firaisan-kina anefa dia vetivety dia voafehy ihany izany, araka ny vaovao voaray. Marihana fa tsy nisy aina nafoy, na ny naratra tao anatin’ity loza ity.

Raha ny fahitan’ireo tompon’andraikitra tany an-toerana, izay nidina nijery ifotony ny zava-nisy sy nitondra fankaherezana ho an’ireo tra-boina dia fantatra fa fandrobana no nialoha an’io hain-trano io. Voalaza mantsy fa nibata izay zakany ireo olon-dratsy ary izay sisa tsy zakany dia izao nodoran’izy ireo tsy nanany antra izao. Entana, vola, fanaka, mitentina any amin’ny 10 tapitrisa ariary tany ho any kosa no lasa lavenona. Efa eny am-pelan-tanan’ny manampahefana moa ny raharaha ary heverina fa efa mandeha ny fikarohana izay nahavanon-doza tamin’izao hain-trano mahatsiravina izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici