Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tao Anjozorobe tampon-tanana, ny alatsinain’ny Pantekoty lasa teo. Zazakely vao telo taona monja no nindaosin’ny fahafatesana rehefa voadonan’ny môtô, teo Antetezana, kaominina ambonivohitra Anjozorobe, raha naratra vokatr’izany kosa ny olona nitondra azy.
Efa hiditra ny tananan’Anjozorobe mihitsy ny toerana nitrangan’ity loza mahatsiravina ity, tamina lala-mahitsy, hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary. Raha ny fanadihadiana nataon’izy ireo dia vokatry ny tsy fitandreman’ny andaniny, ilay mpitondra môtô sy ny ankilany, ilay olona nitondra ilay zaza. Raha ny fisehoan’ny zava-nisy mantsy, raha ny vaovao azo hatrany dia niampita arabe tampoka ilay ankizikely. Noezahin’ilay olona niaraka taminy natsoina sy nosamborina saingy tamin’izay fotoana izay no nisy kodiaran-droa nisosososo nandeha mafy avy any. Mazava ho azy, ao anatin’ny tampoka sy ampahan-tsegondra dia tsy voatana ny hisatra intsony ilay fitaovana ka nandona mafy azy mianaka ireto. Nandriaka ny rà. Naratra mafy vokatr’izay izy ireo. Tsy naninona kosa tetsy andanin’izay na ilay mpitondra moto na ny kodiaran-droa nentiny.
Nentina novonjena haingana nihazo ny hôpitaly teo no ho eo ihany ireto voadona ireto. Saingy noho ny dona mafy, izay nahavaky ny lohan’ilay zaza dia tsy tana intsony ny ain’ity farany. Ilay ramatoa kosa no nezahina nomena fitsaboana. Nampandrenesina avy hatrany mahakasika ity tranga ity moa ny zandary ary nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy kosa ilay tovolahy mpianatra, nitondra ilay môtô.
m.L




