Dahalo maromaro mirongo basy sy lefona ary famaky, no tonga nanafika ny tananan’i Fierenana, kaominina Beronono, distrika Anjozorobe, ny zoma lasa teo. Vokatr’izay, omby am-polony no lasan’ireo dahalo, ary zazavavikely iray no nentin’izy ireo natao takalonaina. « Nanara-dia avy hatrany ireo fokonolona am-polony maro ary nampandre ny miaramilan’ny DAS avy amin’ny Vondron-tafika Capsat sy ny miaramila avy ao amin’ny Foibe Fiofanan’ny Rezimantan’ny Andry sy Tohana ( RAS ) ao Tampoketsa ; izay nanao ny fanarahan-dia avy hatrany » hoy ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny Sampana seraseran’ny Tafika. Raikitra ny fifandonana tao amin’ny tananan’ Antakavana, Ankazobe, teo amin’ireo miaramila sy ireto malaso. Resy tosika avy hatrany izy ireo, ka nanao tari-dositra. Namela ireo omby avy nangalariny sy ilay ankizivavy kely, izay avotra soa aman-tsara. « Izao no nahitam-bokany, dia teo ny fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ny miaramila ka miantso ny tsirairay ny eo amin’ny Fibaikoana ny Tafika Malagasy mba hanome vaovao marim-pototra sy ara-potoana mba hahafahan’ireo miaramila manao ny fanenjehana sy ny fanarahan-dia ary ny fanakanana ireo olon-dratsy » hoy hatrany ny vaovao.
m.L