
Ratra vokatry ny tsindrona zava-maranitra anakiroa teo amin’ny lohany ! Lehilahy iray manodidina ny 40 taona any ho any no hita faty, tetsy amin’ny fokontanin’Ankadievo, Alasora, omaly maraina. Vono olona avy hatrany no petra-kevitra voalohany naroson’ireo mpanao fanadihadiana teo am-pahitàna ny razana. Tsy misy mahafantatra. « Tokony ho tamin’ny valo ora maraina tany ho any no nisy nampandre izahay mahakasika ny fisian’ny razana natsingevan’ny rano tety an-toerana », hoy ny fanazavàna azo avy amin’Atoa Ramaroson Bruno, Sefo fokotanin’Ankadievo. Rano an-tanimbary, izay tsy lavitra loatra ny lalana mampitohy an’i By pass sy Ankadimbahoaka, manoloana ny tobin-dasanty iray teny an-toerana. Vetivety dia tonga teny an-toerana avokoa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy, nampian’ireo fokonolona, izay tonga nitangorona marobe teny. Nosarihina ary nampiakarina an-tanety avy hatrany moa ny razana, izay tena mbola nihoson-drà tanteraka. Nisy lavaka roa, vokatry ny tsindrona zava-maranitra teo amin’ny hatony sy ny fihirifany, ny tarehiny nivonto sy mangana. Nahitàna ratra toy ireny avy notaritaritina ireny ihany koa tao amin’ny lamosiny, araka ny hita teny an-toerana. Mbola teny aminy avokoa anefa ny akanjony saingy toa tsy nisy taratasy azo namantarana azy tany. Tsy fantatra ihany koa na nisy zavatra lasa tany amin’ity lehilahy hita faty ity. Nalehan’ny saina avy hatrany dia ny hoe mety nisy namono tany ho any ity lehilahy ity ary natsipy tao anaty rano ny razana rehefa avy notaritaritiny lavitra. Azo heverina ihany koa anefa fa mety niharan’ny lozam-pifamoivoizana ka natsipin’izay nahavanon-doza tao amin’io rano teo an-tanimbary io. Vinavina avokoa moa izany rehetra fa efa nandray an-tanana ny raharaha ary nanokatra ny fanadihadiana, taorian’ny fitsirihan’ny mpitsabo ny razana, ny pôlisy avy etsy amin’ny sampana heloka bevava. Marihana fa tsy misy mahafantatra akory eny amin’ny fokontany iny ity lehilahy hita faty ary tsy mponina eny velively, raha ny filazan’Atoa Sefo fokontany hatrany. Somary ratsiratsy amin’ny resaka tsy fandriampahalemana mihitsy iny faritra iny, raha ny filazan’ireo mponina. Indrindra fa manomboka eo amin’ny tetezana mivily mankany Ambohitsoa, ka hatreny amin’ny « rond point » sy tetezan’Ankadievo. Efa tsy vitsy, hoy hatrany ireo mponina no efa voaendaka ary nitondra takaitra tamin’izany faritra izany, raha vao maizina monja ny andro. Fitantaran’ny lehilahy mpamily iray teny an-toerana aza dia « vao ny omaly (ndlr ny alatsinainy) hariva teo izy no nifanandrina tamin’ny mpanendaka roa lahy, raha iny an-dalana hody avy nanatitra fiara iny. Vola « versement » no tany aminy saingy tsy azon’ireo olon-dratsy ». Na izany aza, nitondra fangirifiriana ihany ranamana, izay nivonto sy naratra, voavelin’ny zavatra ny handriny ary nisy dian-java-maranitra teo amin’ny kibony saingy tsy niletra lalina.
m.L