Naolana dia nototoina tamin’ny vatobe ny lohany avy eo mba ho faty. Vehivavy iray indray no niharan’izany ny harivan’ny alatsinainy teo. Tokony ho tamin’ny fito ora no nitrangan’izany tetsy Ankadievo, tsy mifanalavitra loatra an’Ambohitsoa. Raha araka ny fanazavana azo teny an-toerana dia ny vadiny no nahita azy efa maty rehefa nitady azy eran’ny tanàna. Nikasa ny hitsena azy avy miasa, toy ny fanaony isan’andro ilay rangahy, no nahatsikaritra fa tsy tonga ramatoa. Teo izy no nanapa-kevitra ny nitady ny vadiny. Teo amin’ny toerana filalaovana baolina eo Ankadievo no hita ilay olona izay efa tsy nisy aina intsony. Niezaka ny niantso vonjy ilay rangahy mba hiala nenina hanampy azy hamonjy ny aim-badiny, saingy efa tsy nisy hevitra intsony. Manodidina ny 30 taona ity ramatoa maty niharan’ny habibiana ity. Namela kamboty roa. Tsy alina akory satria tamin’ny ora fahatongavan’ny mpiasa avy niasa no nanararaotan’ireo olon-dratsy nanatontosa ny heloka bevava. Mihorohoro tanteraka ny iray tanàna, ary tsy vitan’izany aza fa nahoraka hatrany amin’ny kartie manodidina toa an’Ambohitsoa ny zava-nitranga. Tsy mifanalavitra rahateo ireo toerana ireo satria arabe iray no manasaraka. Tranga matetika niseho ity miverimberina ity ary mahakasika vonoan’olona hatrany. Tovovavy avy mianatra mody hariva, mpiasan’ny orinasa afaka haba, ramatoa efa antitra avy niangona, vehivavy harivariva fodiana, efa fanimbalony izao no nisian’ny fatiolona tamin’ity taona ity ary saika teo amin’ireo toerana ireo hatrany no nitranga izany. Mihorohoro ny fianakaviana maro izay nanapa-kevitra ny manarama olona amin’ny fitsenana ny zanany vavy avy mianatra hariva. Nisy ihany ny olona voasambotra tamin’ny telo herinandro lasa izay saingy toa tsy nampijanona ity karazana heloka bevava ity izany. Aiza ho aiza ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana misahana ny heloka bevava ? Miantraika mivantana amin’ny fiaraha-monina mantsy ary tsy vitan’izany fa miteraka horohoro ity zava-misy ity. Mila mihetsika mafy, faran’izay mafy, ny manam-pahaizana amin’ny fanadihadiana…
D.R