- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnkadifotsy : Ramatoa voadonan’ny « scooter » nandeha « sens interdit...

Ankadifotsy : Ramatoa voadonan’ny « scooter » nandeha « sens interdit », naratra mafy miady amin’ny fahafatesana

Saika isan’andro, mamoa-doza foana ny « moto scooter » eto an-dRenivohitra. Omaly naraina, tokony ho tamin’ny 10 ora, « moto jog 50 » iray nandeha nirimorimo mafy tamin’ny « sens interdit » hiakatra an’ Ankadifotsy iny no nandona ramatoa iray. Nianjera mafy be nitsirara tamin’ny tany ity renim-piakaviana, ka naratra mafy teo amin’ny lohany, ary mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny « neurochirurgie ». Na dia nasain’ireo olona nanatri-maso ny loza nijanona ilay lehilahy nitondra moto mainty nahavanon-doza, izay nanao « Jean blouson grenat » sy « casque ABM », dia nirifatra nitsoaka nandositra. Raha ny fanazavana azo, nandeha teny an-tsisin-dàlana ilay ramatoa, satria feno fiara nijanona (lasa parking) tamin’ny toerana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra. Raha ny tati-baovao voaray farany tamin’ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra, dia efa nametraka fitoriana teny amin’ny mpitandro filaminana ny fianakavian’ilay ramatoa niharam-boina, ka karohina fatratra amin’izao ilay mpitondra môtô nahavanon-doza.

Eric Manitrisa

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici