Teo Ambohipanja no nisy nitoraka asidra ireo mpivady izay nitaingina kodiaran-droa. Tsy alim-be akory izany fa manodidina ny amin’ny enina ora sy sasany, ny zoma lasa teo. Izany hoe mbola betsaka olona mifamezivezy. Ny andro rahateo faran’ny volana no sady nitontona zoma ary dia mbola betsaka ny olona tavela tany ivelany. Saingy tsy nanakana ny asan’ireo mpanao ratsy izany. Notorahina asidra ireo olona. Azo heverina fa ny haka ilay kodiaran-droa sy izay mety ho karama teny amin’ireo mpivady no tanjon’ny jiolahy. Tsy nanaiky mora anefa ireo olona ary nisy nahita rahateo koa izany, ary dia raikitra ny fanenjehana. Tsy azo tao anatin’ny maizina ny mpanao ratsy. Ilay ramatoa voan’ny asidra kosa dia tena voa mafy satria nitsovaka ny tarehiny. Asa raha mba azon’ilay mpanao ratsy an-tsaina ny vokatr’izany amin’ny fiainan’ilay olona. Mendrika saziana mafy rehefa tratra noho ny fikasàna hamono olona.
D.R




