- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadikely Ilafy : Vaky fasana, razana am-polony lasa voaroba taolana

Ankadikely Ilafy : Vaky fasana, razana am-polony lasa voaroba taolana

Asa raha fanimpiriny amin’ny vaky fasana eny amin’iny faritra Ankadikely Ilafy iny ity nitranga ny alarobia lasa teo. Fasana iray tao amin’ny fokontany Ambohipanga indray mantsy no lasibatr’ireo olon-dratsy. Razana mahatratra teo amin’ny 12 isa teo ho eo no very taolan-dava avokoa. Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva tany ho any tamin’io andro io no nampandrenesina ny zandary avy amin’ny borigady Ankadikely Ilafy mahakasika ity fahavakisana fasana ity. Tsy nisy nahatsikaritra tokoa mantsy izany, toy ny mahazatra ihany, raha tsy nisy fandevenana teny amin’io toerana io. Hatairana ny an’ireto  olona ireto raha nahita ny fasana efa nivoha. Teo no nampanantsoina avokoa ny teo anivon’ny tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana, niaraka tamin’ny solon-tenam-pokonolona. Tamin’ny fizahana ny tao anatin’ny fasana no tsikaritra ireo fahabangana taolan-dava tamin’ireo razana maromaro ireo. Nandray ny fepetra tandrify azy avy hatrany moa ny teo anivon’ny zandarimarim-pirenana, nanokatra ny fanadihadiana sy fikarohana ireo tsy mifaditrovana ireo. Tamin’ity taona ity tokoa dia niverina nirongatra indray izany resaka vaky fasana sy fangalarana taolam-paty izany. Mbola mipetraka anefa ny fanontaniana hoe, atao inona izy io ? Iray tamin’ireo fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana, ka nahatratrarana olona maromaro tamin’ireto mpangalatra taolam-paty ireto no nahafantarana tamin’izay fa vahiny no mpandray azy ity. Saingy toa mbola tafajanona eo aloha ny famotorana, fa tsy mbola misy mangirana ny tohiny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici