An-dranomaso tanteraka no nitantaran-dRakotoarivony Heriniaina Rolland, fantatra tamin’ilay horonantsary « Benja Kely », ny zava-nisy ny zoma tetsy Ankadikely Ilafy. Fotoana izay nitrangan’ny fanafihana nitam-piadiana, ary nahalasibatra vehivavy iray. Ity farany izay tsy iza fa vadin’ity mpilalao horonantsary malagasy ity. « Mbola niantso azy aho taloha kelin’io ary nilaza fa efa an-dalana mody izy (…) Indrisy anefa fa izy efa mitsirara anaty rà mandriaka ho hitako» hoy izy.
Ny harivan’ny zoma lasa teo tokoa mantsy, « cash point » iray teo an-toerana no nataon’ny andian-jiolahy lasibatra. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia nohararaotin’izy ireo avy hatrany ilay vehivavy, mpitantana tao amin’io toerana io, raha iny teo am-panidina ilay toerana iny. Nambanan’izy ireo tamin’ny basy sady niezaka nisintona ilay poketra nisy vola teny aminy. Ankevitry ny nisy fanoherana angamba tao fa avy hatrany dia nitifitra ireto olon-dratsy. Poa-basy indroa no nanakoako teny an-toerana. Ny iray tsy nahavoan’ ilay vehivavy ary ny faharoa, nandoaka ny tratrany. « Nokasain’izy ireo hovonoina mihitsy ny vadiko. Tafala ilay bala voalohany saika nataon’ireo olon-dratsy teny amin’ny lohany izy saingy tsy tafala intsony an’ilay faharoa ».
Lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io ihany moa ilay poketra fa navelan’izy ireo teo ilay voatifitra. Ireo teny an-toerana no niantso avy hatrany an’i Benja Kely ary nitondra ny naratra tany amin’ny hôpitaly.
Marihina fa nanao antso vonjy tao amin’ny tambajotra sosialy ity mpilalao horonantsary taorian’io, ho famonjena ilay vadiny, izay voatery nandalo fandidiana. Marobe ireo tonga namaly ny antso. Tetsy andanin’izay, nanao izay ho afany ihany koa ireo mpitsabo tao amin’ny hôpitaly nitondràna ity naratra ity. Efa an-dalam-pahasitranana izy, hoy i Benja kely. Ity farany izay naneho fankasitrahana sy fisaorana ho an’ireo rehetra tonga nitondra fanampiana sy fankaherezana.
Efa eny am-pelatanan’ny mpitandro filaminana kosa ny raharaha ary efa mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza.
m.L