Tokony ho tamin’ny roa ora antoandro, ny alarobia teo, no nisy nisintona ny vola tao anaty sakaosy nentin’ny mpivady. Ireo farany dia mitazona toeram-panakalozam-bola avy amin’ny alàlan’ny finday eo Andafiavaratra-Ankadikely. Efa làlan’ny mody, nandeha an-tongotra moramora izy roa no nisy nanambana antsy ary nidaroka tamin’ny vatobe. Vao azon’ireo jiolahy roa ny sakaosy nisy vola an-tapitrisany maro dia nihazakazaka nitsoaka koa ireo. Mba nahavita nikiaka sy niantso vonjy ireo naratra ary iny no nanintona ny manodidina. Tamin’ity indray mitoraka ity dia tena niditra an-tsehatra ny olona ary nifanampy. Nenjehin’ny vatan-dehilahy hatramin’ny farany ny mpanao ratsy. Voasambotra ary niharan’ny fitsaram-bahoaka teo. Raha tsy haingana ny mpitandro ny filaminana no tonga dia mety afaka hatramin’ny ain’ireo mpanao ratsy. Efa tezitra loatra ny olona manoloana ny tsy fandriam-pahalemana ary tsy nahatàna ny fony intsony. Imbetsaka loatra ny tompon’andraikitra amin’ireny cashpoint ireny no voatafika ary efa betsaka koa ireo namoy ny ainy noho ny hetraketraky ny jiolahy. Mila mailo hatrany satria tena manintona olon-dratsy ny fisian’ny vola kirakirain’ireo. Efa mba mihidy ao anaty trano vy ihany kanefa rehefa mirangaranga ny basy dia tsy misy azo atao. Toraka izany koa, efa mba mailo ary mandeha miala haingana amin’ny moto ny toerana rehefa manidy tsena, kanefa mbola misy manaraka ihany ary voatafika. Miady aman’aina tanteraka ny olona miasa amin’ireny sehatra ireny.
D.R