- Publicité -
mardi, octobre 27, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadikely : Mpivarotra rongony eo akaiky fiangonana

Ankadikely : Mpivarotra rongony eo akaiky fiangonana

Tsy misy « client » ingahirainy fa na iza na iza tonga eo aminy dia mahazo ny anjarany avokoa, hoy ny zandary. Na mpivavaka, na mpianatra, ankizy 12 taona ka hatramin’ny antitra sy ny tanora dia mahazo avokoa rehefa manam-bola.

Tranga iray teny Ankadikely teny, lehilahy iray no voatery nosamborin’ny zandary nohon’ny resaka fivarotana sy fanaparitahana rongony. Efa maro tokoa mantsy ny fitarain’ny mponina eny an-toerana noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana, indrindra fa ny resaka hala-botry, vaky trano sy ireo karazana herisetra vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina. Nandray andraikitra avy hatrany zandary ary nanao ny angom-baovao rehetra. Fantatra fa misy mpivarotra izany rongony izany tsy lavitra eny. Ary ny tena mahagaga dia tsy lavitra  ana fiangonana iray eny an-toerana ingahy no mivarotra izany. Iza tokoa moa no hanampo fa ao ambadika kelin’ny tranon’Andriamanitra no hisy an’izany ? Nidina teny an-toerana hanao ny fanamarinam-baovao ihany ireo zandary ka inona tokoa fa dia io mibaribary teo ny asa ratsin’ity rangahy iray ity. Mbola tratra teny aminy aza ny fonosan-drongony maromaro, mbola nokasaina hamidy. Tsy misy mpanjifa ny lehilahy hoy izy tamin’ny famotorana azy fa rehefa manam-bola dia afaka mahazo eo aminy avokoa, eny fa hatramin’ny ankizy aza. Notazomina natao andrimaso avy hatrany moa ingahirainy ary nogiazana ireo ambin-drongony hita tany aminy. Marihana hoy ny vaovao fa tsy nety nilaza hatramin’ny farany ny olona mpamatsy azy ingahy. Ka hany herin’ireo mpanao famotorana dia nanolotra ny raharaha ho eny am-pelan-tananan’ny mpitsara mpanao famotorana. Notanana am-ponja vonjimaika moa ity mpivarotra rongony ity mandram-piandry ny fotoam-pitsarana azy. Mbola mitohy kosa ny famotorana sy ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny rongony eny an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici