Tranga hafahafa, nampivarahontsana, no nitranga tetsy Antsapandrano, Ankadikely omaly. Vehivavy iray tokony ho 24 taona no hita nivalampatra tsy nisy aina intsony teo ambony fandriana. Ny tanany anankiroa mifatotra ary ny vavany mitampina. Maty nokendaina, raha ny fijerin’ny mpitsabo. Tetsy andanin’izay, tsy lavitra ny trano nahitàna ity vehivavy ity, no nahitàna rangahy iray, naratra mafy sy nihoson-drà tanteraka. Tapaka tarangana ny mahalehilahy azy, raha ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana. Ny talata alina, tokony ho tamin’ny valo ora tany ho any no nahazo antso ny teo anivon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ankadikely, mahakasika ity tranga hafahafa ity ary nidina avy hatrany teny an-toerana. Ilay lehilahy no hita voalohany, izay tao an-tranon’olona mpifanolo-bodirindrana aminy. Hotsaky ny rà ny patalohany. Nahitàna antsy teny aminy ary ambina tady nifatotra teo amin’ny tendany, hoy hatrany ny fanazavana azo. Efa reraka tanteraka ary nezahina nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana, hoy hatrany ny fanazavana azo. Tao an-tranon’izy ireo kosa no nahitàna ilay vehivavy, izay efa vatana mangatsiaka sisa. Fahasemporana vokatry ny kenda roroka na tamin’ny zavatra natao taminy no nahafaty azy io. Mbola nahitàna lamba lavalava izay ihany koa aza teo amin’ny tendany tamin’io fotoana io. Marihana, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo avy eny an-toerana fa mpivady ireto olona ireto ary mpiara-miasa ao amin’ny orinasa iray eny an-toerana ihany. Hatreto, tsy fantatra mazava izay tena nitranga tao amin’ity tokantrano iray ity. Fanafihana mitam-piadiana ary izao niafara tamin’ny herisetra sy vono olona izao ? Sa adin’ny mpivady niafara tamin’izay zavatra izay ihany koa ? Efa eo am-panokafana ny famotorana mahakasika ity tranga ity moa ireo zandary misahana iny faritra iny. « Tsy mbola misy azo ambara hatreto. Ilay lehilahy ihany koa moa mbola eo an-dalam-pitsaboana ka tsy misy afaka hanaovana famotorana ». Na izany na tsy izany, voamarik’ireo tonga teny an-toerana fa tsy nisy trangana fahavakisana ny trano : nilamina tsara ary saika mbola tao avokoa ireo entana sarobidy tao amin’ity tokatrano ity.
m.L