samedi, avril 26, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadikely : Zaridain-drongony saron’ny pôlisy

Ankadikely : Zaridain-drongony saron’ny pôlisy

Tsara karakara mihitsy ireto zava-maniry ireto saingy voarara ny mamboly sy mihinana azy.

Tsy naka sarotra mihitsy ranamana fa teo an-jaridainany ihany no namboleny ny zavatra ho fohany. Rongony fototra maromaro no saron’ny pôlisy, ny talata lasa teo tetsy Ankadikely Ilafy. Nosamborina avy hatrany ny lehilahy.

Raha voninkazo na ireny karazana zavatra azo hanina toy anana, legioma sy ny tariny ireny ny an’ny hafa no mandrisika azy ireo hamboly eo an-jaridainany, ny an’ity tovolahy iray 19 taona ity kosa, tena hafa tanteraka ny zavatra namboleny teo an-tokontaniny : « rongony maitso mavana » ! Zavatra hofohany sy nataony ho fitadiavam-bola izy io, araka ny fanazavana nomen’ireo pôlisy tonga nisambotra azy nandritry ny famotorana. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena tokoa mantsy dia loharanom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo teny an-toerana no nahafantaran’izy ireo ny fisian’ity lehilahy mamboly rongony ao amin’ny toeram-ponenany ity. Nidina avy hatrany teny amin’ny toerana voalaza, hanao ny fanamarinana ireo mpitandro filaminana avy amin’ny sampana miady amin’ny zava-mahadomelina ary nahita ireto « zava-boahary voarara» ireto tokoa. Nahatratra hatrany amin’ny 12 fototra tany ho any no tsikaritra naniry tsara teo an-tokontaniny, hoy ny fanazavana azo hatrany. Nongotana avy hatrany izany rongony naniry izany ary nentina nihazo ny biraon’ny kaomisaria kosa ity farany, notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici