Raikitra ny ady teo amina olona roa, tamin’ny 9 ora sy sasany alina, teny Andravako ao amin’ny kaominina Ankadimanga eny Atsimondrano. Rehefa avy nisotrosotro izy ireo, dia nolazain’ny vaovao fa niady, araka ny tatitry ny ben’ny tanàna teny an-toerana. Nampandre ny zandary Itaosy ity tompon’andrikitra ity ary nilaza ny andinindininy. Rehefa avy niady ry zalahy ka lavo ny iray ary maty mihitsy, dia lasa nandositra ilay faharoa. Nandeha avy hatrany ny fanadihadiana ka olona efatra no nosamborina. Ny vaovao hatrany no nahafantarana, fa ny telo dia olona tsy namonjy aina nefa nahita ny ady nahafaty ny iray. Voalaza fa nijery fotsiny izy ireo. Ny fahefatra dia ilay nahavanona ny loza. Nokarohina izy io ary farany tratra tamin’ny alatsinainy 5 septambra. Nisavorovoro ny mponina teny an-toerana taorian’izany satria saika niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka. Soa ihany fa efa teo ny mpitandro filaminana. Efa nalefa any am-ponja vonjimaika ilay nahavanona ny famonoana.
r.s.