- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Lehilahy nanaovan’ireo mpampiasa azy vono tambabe

Ankadimbahoaka : Lehilahy nanaovan’ireo mpampiasa azy vono tambabe

Lehilahy 52 taona no nitory ireo mpampiasa azy, noho ny vono nataon’ireto farany taminy tao amin’ny toeram-piasany. Saika hiakatra fampanoavana omaly ity raharaha ity, saingy nahemotra tamin’ny ora farany izany, satria mba nametraka fitoriana ity mpiasa ity teo anivon’ny polisy  ihany koa ilay mpampiasa.

Araka ny fanazan’ity lehilahy ity, dia tamin’ny 06 jolay no niandoha ny raharaha. Nandà tsy nety nanao ny asa nampanaovina azy ity mpiasa ity satria, araka ny fanazavany, dia tsy andraikiny izany. Teknisianina mpikojakoja milina no nidirany niasa tao, nefa dia matetika izy no ampanaovin’ny mpampiasa azy asa hafa, toy ny fibatana entana. Nahatezitra ny mpampiasa azy izany famaliana izany ka raikitra ny ompa sy daroka. Orinasa tantanina Karana etsy Ankadimbahoaka no voalaza fa iasan’ity lehilahy ity. Karana roa lahy avy hatrany no indray nidaroka azy teo amin’ny faritry ny lohany ka nahatonga azy ho tsy nahatsiaro tena mihitsy. Taorian’izay, dia nambarany fa efa tany ivelan’ny faritry ny toeram-piasana izy vao niverina ny sainy. Mbola nisy Karana iray hafa indray anefa nikapoka azy tao amin’ny hatony rehefa tonga teo. Niantso vonjy tamin’ny fianakaviany izy ka nisy zandary telo tonga tao amin’ilay orinasa. Noho ireo vono nahazo azy, dia nahazo « certificat médicale » manamarina ny tsy fahafahany miasa mandritra ny 22 andro ny tenany. Ny faran’ny volana septambra teo anefa, dia nitondra ny raharaha teo anivon’ny Fampanoavana izy noho ny fahatsapany fa tena nisy fiantraikany tamin’ny toe-pahasalamany ilay vono natao azy. Ity farany indray, avy eo no nandefa izany teo anivon’ny kaomisarian’ ny Polisy etsy Mahamasina ka taorian’ny famotorana dia izao tokony hatolotra ny Fampanoavana omaly izao ny antontan-taratasin’ady. Gaga anefa izy  ankehitriny, fa tonga nametraka fitoriana azy ao amin’io kaomisaria io indray ilay mpampiasa azy. Fanakorontanana tao amin’ny orinasa sy fanimbana fitaovam-piasana, raha araka ny filazany, no anton’ny anenjehana azy.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici