- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Lehilahy novonoina dia natsipy tao Ikopa

Ankadimbahoaka : Lehilahy novonoina dia natsipy tao Ikopa

Vono olona iray indray no nitranga tetsy Ankadimbahoaka omaly. Fatin-dehilahy iray feno ratra tokony ho 40 taona any ho any no hita natsingevan’ny ranon’Ikopa teo amin’ny toerana antsoina hoe Antanana Ambony. Araka ny fampitam-baovao azo dia ireo mpanasa lamba vao maraina tonga teny an-toerana no nahita voalohany ity tranga mampihoron-koditra ity. Noheverin’izy ireo fa lamba nitsingevana fotsiny izany tamin’ny voalohany saingy rehefa natonina akaiky dia hita fa vatana mangatsiakan’olona ilay izy. Tokony ho tamin’ny dimy ora maraina teo ho eo io.

Nantsoina avy hatrany teo ireo tompon’andraikitra rehetra ary fotoana fohy dia nigadona teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy ireo mpitandro filaminana sy ny mpitsabo. Ny mpamonjy voina kosa no nisarika ny razana ho eny an-tanety. Mbola miakanjo tsara ity lehilahy hita faty ity, saingy tsy nisy taratasy nahafantarana azy teny aminy. Ireo mponina teny an-toerana ihany koa tsy nisy nahafantatra azy rahateo, raha ny vaovao. Ankoatra izay moa, tamin’ny fizahana ny razana dia nahitàna ratra maromaro tamin’ny faritry ny vatany. Antony naminavinain’ireo mpitandro filaminana fa hoe novonoina tany ho any ity lehilahy ity dia natsipy tao Ikopa nony avy eo. Mazava ho azy fa tsy fantatra izay nahavanon-doza ary tsy hay ihany koa izay anton’ny famonoana. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny. Ny razana kosa dia naterina eny amin’ny tranom-paty eny Ampefiloha.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici