- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : Mpanao menaka lavanila hosoka, roa lahy nidoboka am-ponja

Ankadimbahoaka : Mpanao menaka lavanila hosoka, roa lahy nidoboka am-ponja

Menaka tsotra nasiana vovoka lavanila no nahazoan-dry zalahy ireto, roa tapitrisa ariary ! Manjaka tokoa amin’izao ity karazana hosoka rehetra ity, ary saika any amin’ireo zavatra tsy dia fahita firy saingy lafo vidy no tena ahombiazan’ireo mpisoloky, toy ity trangana menaka lavanila hosoka ity.

Lehilahy roa no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’i Tanjombato, ny sabotsy lasa teo, rehefa nisoloky olona tamin’ny resaka menaka lavanila hosoka. Izany dia taorian’ny fitarainana nataon’olona iray, rehefa voasoloky vola roa tapitrisa ariary izy tamin’izy roa lahy ireto vidin’izany menaka izany. Raha ny fandehan’ny raharaha, dia nisy lehilahy iray izay nilaza fa manana menaka lavanila eo amin’ny dimy litatra eo. Efatra hetsy ariary no notakian’ity farany fa vidin’ny iray litatra amin’izany. Mba hampiroboka kokoa ity mpividy hosolokiana, dia mody niantso olona iray hafa izy, izay voalaza hatreto fa mpahay lavanila ary afaka manamarina tsara ny maha-izy na tsy maha-izy an’ilay menaka. Nilaza moa ity farany fa tena izy io ary roboka nandoa vola ilay olona. Lasa ny roa tapitrisa ariary ! Andro vitsivitsy taty aoriana, nahatsapa tena ilay olona nividy fa hosoka avy hatrany ilay menaka. Rehefa tena notiliana mantsy ilay izy, dia menaka tsotra saingy norarahana vovoka lavanila fotsiny ihany. Nanatona mpitandro filaminana avy hatrany ity farany ka nanomboka teo ny fikarohana ireto mpisoloky. Tsy lasa lavitra anefa, fa tetsy Ankadimbahoaka ihany no tratra izy roa lahy mpisoloky ireto. Niaiky tsara moa izy ireo, fa tena nanao hosoka ary nisoloky an’ity olona ity. Fantatra tamin’io mantsy, fa mpinamana ihany izy roa lahy ireto ka ny iray no mitady mpividy ary ny iray kosa no tompon-kevitra sy nanamboatra an’ilay menaka. Omaly izy ireo natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja avy hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici