Tranga mampihoro-koditra tokoa no ataon’ireto olona voasambotry ny pôlisy ireto avy etsy amin’ny PPA Ilanivato ireto. Fivarotana zaza menavava, trafikana taolam-paty ary fivarotana menaka azo avy amin’ny olombelona ary vola an-tapitrisany no kirakiraina.
Tena misy ! Mazàna dia siosion-dresaka sy mijanona ho « légende urbaine » (zavatra foronina natao hampitahorana olona) fotsiny ny resaka hala-jaza. Raha ity vokatra azon’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena ity anefa no zohina dia tsy hiadian-kevitra fa tena misy ity tranga iray ity. Ny alatsinainy lasa teo tokoa mantsy dia mpivaro-jaza sy mpanao trafika taolam-paty no tra-tehak’izy ireo teny amin’iny faritra Ankadimbahoaka sy Ivato iny. Mbola nahatratrarana zaza menavava iray, vao iray volana sy tapany monja aza tao amin’ireto olona ireto. Moa ny iray tamin’ireo vehivavy tratra dia renin’ilay zaza.
Ny zava-nisy. Tonga teny am-poto-tsofin’ny mpitandro filaminana ny vaovao ny amin’ny fisiana tambazotra mivarotra zaza menavava eny amin’iny faritra Ankadimbahoaka iny. Mazava ho azy, tranga hafahafa ihany kanefa tsy nataon’ireto farany ambanin-javatra ary nidinana ifotony mihitsy. Efa fantatra sy voatondro moa ireo olona noahiahiana tao anatin’ity trafikan-jaza ity ka nopaingorina tamin’ny velam-pandrika. Tsy afa-niala tao anatin’ny harato araka izany ny olona efatra, izay voarohirohy tamin’izany. Tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ireto mpitandro filaminana dia fantatra fa « 80 tapitrisa no namarotana ity zaza ity ka ny 5 tapitrisa amin’izany no anjaran’ny renin-jaza ». Ambonin’izay anefa, rehefa nitohy sy nihalalina ihany ny famotorana natao azy ireto dia voalaza ihany koa fa tafiditra ao anatin’ny resaka trafika taolam-paty izy ireo. Ny loza dia efa « manana vokatra amin’ny kilao maro », ho an’izay mpanjifa vonona handray. Manodidina ny 20 tapitrisa ariary eo ho eo ny iray kilao ny tombany amin’izany ary alefa 10 tapitrisa ariary ny farany ! Tsy hita tao amin’ireto olona efatra tra-tehaka tetsy Ankadimbahoaka tetsy moa ireo « entana » voalaza ireo fa toa hoe eny amin’ny namany eny Ivato. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny mpanao fanadihadiana ary nisambotra ramatoa iray voatondro ho nitazona azy ireo. Tra-tehaka niaraka tamin’ny « entana » tokoa ity ramatoa ity iray, izay mbola nahitàna taolan-dava am-polony maro (76 isa), izay misy eo amin’ny 10 kilao any ho any. « Entana » vao tonga mihitsy izy ireo, raha ny voalazan’ireto olon-dratsy satria « vao tonga avy Vohipeno ny sabotsy lasa teo ».
Raha izany tokoa ny zava-misy dia azo heverina efa tena mpisera matanjaka ry zareo ireto. Mahatonga « entana » foana. Midika izany fa « mandeha ny tsena » ary marina fa misy mpandray ny taolam-paty eto amintsika. Ny hirariana sy mba andraindrain’ny maro dia ny hitohizan’ny fanadihadiana. Efa ezaka goavana ary mendri-piderana ny toy izao, saingy raha miampy kely dia tsara, izany hoe ny hisamborana sy hahafantarana ireo olona ao ambadik’izany tranga maro isan-karazany izany : ny afera na taolam-paty, ny fivarotana zaza mena vava sy ireo zavatra azo avy amin’ny vatan’olombelona no tena tsara …
m.L