- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadimbahoaka : « Taxi-bisikileta » 61 nogiazan’ny polisy

Ankadimbahoaka : « Taxi-bisikileta » 61 nogiazan’ny polisy

Tampoka ho an’ireo mpampiasa ny kodiaran-droa voizina, ny hetsika  nataon’ny polisy tetsy Ankadimbahoaka. Notazonina avokoa ireo izay nanao taingin-droa ary nosavaina ny taratasy. Mazava hoazy, fa tsy misy taratasy ny ankamaroan’ireo bisikileta ary tsy dia niditra lalina ny amin’izany ny mpitandro ny filaminana. « Fampiharana ny lalàna momba ny hamehana ara-pahasalamana no nataonay . Mazava ny voasoratra ao dia ny tsy fahazoan’ny bisikileta mitondra olona roa » raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Nampidirina am-bala (fourrière) eo anivon’ny komisarian’i Mahamasina ireo bisilileta izay notaterina tamin’ny fiaran’ny polisy. Rehefa norarana ny fisian’ny taxi-moto, dia niitatra indray ny sain’ny olona izany ary nampiasa ny bisikileta indray mba hatao fitaovam-pifamoivoizana handoavana vola. Vetivety dia niteraka resa-be tao anaty tambajotra sosialy ity tranga tetsy Ankadimbahoaka ity. Misy ny mahita, fa toy ny mizana tsindrin’ila ihany ny zava-misy eto amintsika. « Ny manana fiara tsy misedra olana ary tsy hamarinina akory na mpianakavy tokoa na tsia ny ao anatiny. Ireo izay tsy manana fitaovam-pitaterana indray ka lasa voatery mandeha kodiaran-droa handoavam-bola, dia iharan’ny antsojay » raha araka ny fanehoan-kevitra amin’ny ankapobeny. Ho an’ny mpitandro ny filaminana indray, dia tsy misy afa-tsy ny fampiharana ny lalàna no handraisan’izy ireo ny fepetra izay noraisiny dia ny fanagiazana ireo bisikileta manao taingin-droa izany. Mbola hitohy io hetsika io raha araka ny fantatra.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici