Tapaka tanteraka ny làlana. Izany dia noho ny fifamalian’ny mpamily taxi-brousse iray tamin’ny polisy misahana ny fifamoivoizana. Maro ihany ny feo manodidina ity tranga ity. Ny an’ny polisy no tonga aloha ny fizaram-baovao. « Tsy nanaiky ny fifampiraharahana narosony ilay Polisy misahana ny fifamoivoizana rehefa nisy ny tsy fanarahan-dalàna nataony. Vokany, najanon’ilay mpamily teo am-povoan-dalana nibahana ny fifamoivoizana ilay fiara nentiny« , raha araka ny vaovao avy amin’ny sampan-draharahan’ny seraseran’ny polisy. Vokatr’izany dia tapaka nandritra ny fotoana ela ny làlana ary niteraka fitohanam-be teo Ankadimbahoaka sy ny manodidina. Natao savahao ny mpamily ary voatery nosamborina. Ny fiara kosa nampidirina « fourrière » avy hatrany. Niteraka resa-be tamin’ny tambajotra sosialy ity tranga ity. Ny tsikaritra dia lasa mizotra any amin’ny fangatahana fanadihadiana lalina ary tsy mitongilana ny olona maro. Raha ny fijerin’izy ireo mantsy dia tsy ho tezitezitra fotsiny amin’izao ilay sofera raha tsy nisy antony mazava tao. Efa malaza ratsy koa ny ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’ity mila omena kely etsy sy eroa ity, ary toa lasa zary ho fomba fanao aza izany. Andrasana ny mety ho fanehoan-kevitr’izay mpandeha tao anatiny na koa ny solontenan’ilay mpamily. Raha tsy hoe…efa nalamina ny raharaha.
D.R




