vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadindramamy : Mbola tsy hita ilay zaza maty an-drano

Ankadindramamy : Mbola tsy hita ilay zaza maty an-drano

Nanomboka ny alatsinainy lasa teo ny fikarohana ilay zazavavikely, latsaka tao anaty rano, tao anatin’ilay ora-mikija tamin’io fotoana io. Nitohy hatramin’ny omaly hariva mihitsy aza izany, saingy mbola tsy hita hatreto ny vatana mangatsiakan’ity ankizikely ity, raha ny loharanom-baovao avy amin’ireo mpamonjy voina. Ireto farany izay nanao izay ho afany nisava ireo izay mety ho faritra mety ho nisian’izany. Tsiahivina fa efa olona roa, saika hikaroka ity zazavavy 10 taona ity no indray namoy ny ainy tao amin’ilay toerana ny talata antoandro teo. Efa hatramin’ny alin’ny alahady alina no niara-nisalahy nitady ireo mponina, saingy tsy nisy vokany izany. Ny ampitso dia nisy roalahy, fantatry ny maro hoe “zanadrano”, niezaka nikaroka ny vatana mangatsiakan’ilay ankizivavy kely, saingy nanaraka hatramin’ny ain’izy ireo. Ireto farany moa, vetivety ihany dia hitan’ireo mpamonjy voina ny vatana mangatsikan’izy ireo. Eo anatrehan’izany dia efa eny am-bavan’ny rehetra sahady ny mety hisian’ny mistery amin’ilay rano. Marihana fa tatatra hivarinan’ny rano avy any amin’ireo faritra maro manodidina ity rano namoizana ain’olona telo ity. Filazan’ireo mponina fa na dia hoe tatatra aza izy ireo dia somary lalindalina ihany. Nambaran’ny sasantsany amin’izy ireo fa mety mahatratra eo amin’ny roa metatra sy sasany eo ho eo ny halaliny ary mety misy faritra mihoatra izany mihitsy aza. Fantatra fa mbola mitohy anio ny fikaroha ny razana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici