- Publicité SW45 -
jeudi, mai 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadindramamy : « Mobile banking » voatafika, lasa ny telo tapitrisa ariary

Ankadindramamy : « Mobile banking » voatafika, lasa ny telo tapitrisa ariary

Raha nankalaza ny fetin’ny asa ny ankamaroan’ny olona omaly, ny jiolahy kosa dia tsy mba nirona tamin’izany fa mbola nanatontosa ny…asaratsiny. Tetsy Ankadindramamy, vao maraina dia efa voatafika ny toerana fangalana sy fanaterana vola avy amin’ny alàlan’ny finday, na ireny antsoina hoe « mobile banking » ireny. Nandeha moto scooter roa samy hafa ary nanao taingin-droa, izany hoe efa-dahy izy ireo no nanao ny fanafihana. Nampitahorina tamin’ny basy ny tompon’andraikitra tao amin’ilay toerana ary nasaina navoaka izay rehetra tao anatin’ny fitoeram-bola. Raha araka ny fanamarinam-baovao natao, dia mitentina telo tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy. Tsy nitifitra izy ireo nandritr’izany fa nijanona teo amin’ny fampitahorana sy fandrahonana ihany. Vao azony ny vola dia nitsoaka tamin’ny môtô avy hatrany izy efa-dahy. Tonga teny an-toerana ny polisy, minitra vitsivitsy taorian’ny asaratsy, saingy tsy nisy hita intsony izay nanjavonan’ireo olon-dratsy na teo aza ny fiezahana ny nanaraka ny diany. Ny fisafoana ny manodidina no natao ary koa ny nanontany ny voatafika izay tadidiny  momba ireo olon-dratsy ary koa ny fitaovam-piadiana nampiasainy. Basy poleta no nentin’ireo raha araka ny fanazavana azo. Toerana isan’ny matetika  fandalovan’ny olon-dratsy ireny fanaovana « mobile banking » ireny noho ny fahafantaran’ireo fa ivezivezen’ny vola. Ny olana dia tsy mba tafiditra  ao anatin’ny fifanarahana ara-barotra ataon’ny orinasa sy ny mpiantoka mihitsy ny lafiny fiarovana ny toerana, fa dia andraikitra fenon’itsy farany ny zava-drehetra. Tsy vitan’izany, fa tsy mbola tena ao anaty kolon-tsainan’ny asa eto amintsika ny manao fifanarahana amin’ny mpiantoka (assurance). Vokatr’izay rehetra izay, dia miantoka irery ny fahavoazana ny mpiantoka rehefa misy ny fanafihana mitranga toy izao.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici