
Vao maraina dia efa nirefotra ny basy omaly tetsy Ankadindramamy. Napoaka ny basy talohan’ny nidirana tao amin’ilay toerana hotafihina. Fivarotan-dasantsy eo amin’ny faran’ny fidinana eo Ankadindramamy no niharan’ny fanafihana tokony ho tamin’ny enina ora maraina. Vao naheno ny poa-basy, tifi-danitra indroa, ny tao anatin’ilay toerana dia avy hatrany dia namitsaka. Efa nisy mpaka lasantsy tamin’io fotoana io ary nitsoaka koa ireo raha nahita ny zava-nitranga. Norahonana ny mpitam-bola ary nasaina navoakany tao avokoa izay vola rehetra tao anatin’ny fitoerany. Nahatratra 70 tapitrisa ariary izany ary poa toa izay no nibatan’ireo roa lahy azy dia nanjavona ireo. Mbola nanapoaka basy indray tamin’ny fivoahana ilay toeram-pivarotana lasantsy. Ny olona izay nahatsikaritra no nanazava fa nobatain’izy ireo teny an-tanany ny vola ary tsy mba tao anaty harona na sakaosy akory. Nizara roa ny lalan’ireo mpandroba izay samy tsy misy misaron-tava akory, ary samy nizotra nankany amin’ny elakelan-trano avy. Ny iray tao ambadika tao ihany ary mbola nisy olona maro aza nifanena tamin’ilay lalan-tokana nahita azy nitrotro ny volabe. Tsy nanam-po na inona na inona ireo olona raha tsy efa lasa lavitra ny jiolahy. Rehefa nipoitra teny amin’ny arabe mantsy ka nahita ny olona izay nitangorongorona izay vao nahalala fa hay olona vao avy nandroba ilay nifanena tao anaty elakelan-trano. Maro lalan-kely iny toerana iny ary azo heverina fa efa nokajian’ireo olon-dratsy tsara ny làlana hizorana mandritry ny fitsoahana. Manaporofo izany rahateo ny tsy fampiasan’izy ireo fiarakodia na moto tamin’ny fanatontosana ny fandrobàna. Samy nampiasa basy iray avy ireo jiolahy ary samy nanapoaka an’izany. Ahoana ny namantaran’ireo fa misy volabe toa izany tao amin’ilay fitoeran-tsolika ? Isan’ny fanontaniana izay mipetraka izany amin’ny raharaha toa itony. Amin’ny lafiny iray koa dia efa mba tokony hampiasaina tsikelikely amin’izay ny teknolojia eto amintsika mba tsy hitazomana na hikirakiràna volabe mitovy amin’izao. Efa fantatra mantsy fa izany izao no olan’ny olona…
D.R