- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadinondry : Nomena vola sy omby dia nilamina ny fianakavian’ny maty

Ankadinondry : Nomena vola sy omby dia nilamina ny fianakavian’ny maty

Mahomby ny Dinabe matetika saingy mety mifanitsaka amin’ny lalàna koa.  (Sary tahiry)

Niatomboka tamin’ny fifandirana teo amin’ny olona roa ny raharaha ary niafara tamin’ny fahafatesan’ny iray. Amin’ny andro antoandro, ny talata teo, no maty ny lehilahy iray vokatry ny fikasihan-tànana natao taminy. Nitsoaka avy hatrany ny tompon’antoka taorian’izay. Vetivety dia niely anefa ny feo ary henon’ny fianakavian’ny maty. Tsy ela ireo dia tafavory maro ary nizotra avy hatrany nankany amin’ny tranon’ny nahavanon-doza. Niaraka tamin’ny basim-borona sy zava-maranitra toy ny sabatra ireo olona efa ho telopolo mahery ary nikasa ny hanao fitsaram-bahoaka. Ny hamono avy hatrany no tao an-dohan’ireo olona marobe ary hanao maso solon’ny maso. Tonga teny am-pototsofin’ny ben’ny tanàna sy ny olobe tao Ankadinondry-Sakay anefa ny zava-nitranga. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireo ary niezaka nandamina ny roa tonta. Nahomby izany fanelanelanana izany ary tapaka ary fa hanolotra omby miisa telo sy vola mitentina roa tapitrisa ariary ny avy amin’ny havan’ny nahavanon-doza. Natao teo imason’ny mpitandro ny filaminana izany ary dia niravona tokoa ny olana. Isan’ny endriky ny Dinabe na koa ny làlana ara-drazana izay ifampifehezan’ny fiaraha-monina any ambanivohitra ny famahàna olana toy izay nitranga tao Ankadinondry-Sakay. Miteraka adihevitra hatrany izany, satria lasa mifanindry amin’ny tany tan-dalàna matetika ary lasa manano sarotra ny hoe izay no hampiharina rehefa misy ny heloka iray mitranga : ny dinabe sa ny lalàna manan-kery ? Na ny mpitandro ny filaminana aza indraindray dia mila ho fanina, satria ny asan’izy ireo dia ny fandaminana sy fanenjehana araka ny lalàna manan-kery. Ny tsikaritra anefa dia tsy maintsy manaiky ny Dinabe izy ireo mba ho fitsinjovana ny ainy sy ny fiaraha-monina koa. Etsy andanin’izay, matetika dia lasa mieritreritra ny mpikamban’ny Dinabe fa lasa mpampihatra lalàna koa ary lasa manao fihoaram-pefy rehefa hitan’izy ireo fa atahorana sy henoina izy eo amin’ny fiaraha-monina. Mbola mila fandanjalanjàna tanteraka araka izany ny fampifandraisana ireo sehatra roa ireo, dia ny lalàna ara-drazana sy ny lalàna ara-pitsaràna.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici