- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnkadinondry : Zandary maty nofaohin’ny Sprinter

Ankadinondry : Zandary maty nofaohin’ny Sprinter

Ny iray avy any Ankadinondry-Sakay, fiara lehibe mitondra ny marika Sprinter. Ny faharoa kosa dia kodiaran-droa avy any Analavory ary mpitandro ny filaminana, zandary no nitaingina azy. Nifandona teo amin’ny toerana antsoina hoe Mahafarinkazo, tanàna eo anelanelan’Ankadinondry sy Analavory ny roa tonta. Mafy ny fifandonana ary manaporofo izany ny fahapotehan’ilay moto tanteraka. Ilay fiara kosa indray dia nivilana hatramin’ny kodiarany. Vokatr’io lozam-pifamoivoizana nitranga ny harivan’ny asabotsy, tokony ho tamin’ny dimy ora, io dia namoy ny ainy ilay zandary. Teo ihany izy dia tsy nahatsiaro tena ary na dia noezahina nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana aza dia tsy avotra ny ainy. Mazava ho azy fa nisy avy hatrany ny fanadihadiana nosokafana vokatr’ity lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona ity. Tsara ny làlana amin’ny lalam-pirenena voalohany, isan’ny tsara indrindra eto amin’ny nosy. Matetika koa ny fiarakodia sy ny kodiaran-droa no mandeha mafy vokatr’izany ary rehefa misy ny fifandonana dia mitarika fahafatesana hatrany amin’ny ankapobeny. Mbola amin’ny lalam-pirenena iny ihany koa no matetika itrangan’ny loza rehefa misy ny fifaninanana hazakazaka fiara. Tsy mandritra ny hetsika akory fa misy kosa ireo tanora mitrifana rehefa avy mijery izany ka hody eto an-drenivohitra. Matetika no mivarina any an-tanimbary ary efa maro no namoy aina. Dia mbola fahita matetika eny koa ny lozam-pifamoivoizana avy amin’ny fiarahan’ireo kodiaran-droa marobe manao « randonnées ». Efa nisy koa ny namoy aina vokatr’izany. Etsy andaniny anefa dia anisan’ny lalam-pirenena feno sakana an’ny mpitandro ny filaminana koa iny toerana iny ary tena manao ny asany ireo amin’ny fisavàna isan-karazany. Vao miala teo anefa dia mitrifana indray ny mpanararaotra ny làlana tsara ary dia mitarika lozam-pifamoivoizana hatrany izany. 

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici