Karaokam-by sisa no navelan’ny afo tamin’ity fiara kely iray marika « ford focus », raha nirehitra tetsy Ankaditapaka, omaly hariva tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany tany ho any. Araka ny fantatra, dia pitik’afo nahazo ny fantson-dasantsy no nahatonga ny loza. Tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy. Avy nanatitra marary izy io no izao niharan-doza izao.
m.L