Toerana fametrahana entana no navadika ho toeram-pivavahana. Manomboka amin’ny fito ora maraina dia efa manomboka ny raharaham-piangonana ary tsy mijanona raha tsy amin’ny folo ora alina. Izany anefa dia miteraka fahasorenana ho an’ny olona eo amin’ny manodidina satria misy kotaba aterany. Eo Ankaditoho no misy izany olana mampitaraina ny fiaraha-monina eny an-toerana izany ankehitriny ary efa nisy ny taratasy napetrak’ireo teny anivon’ny manam-pahefana saingy hatreto aloha dia tsy nisy valiny. Ny teo anivon’ny fokontany ka hatrany amin’ny kaominina dia efa samy nahazo ny taratasy fitarainana avokoa, raha ny filazan’ny solon-tenan’ny mponina. Nanolotra soso-kevitra koa ireo olona ny mba hisian’ny fotoana voafetra ao amin’io toeram-pivavahana io ary handrasàn’ny olona ny mety ho tohin’izany. Hatreto aloha dia mbola manampi-tsofina sisa ny azon’ny manodidina atao satria vao maraina ary tsy mijanona raha tsy alim-be ny feo sy kotaba avy ao am-piangonana. Mitaraina, indrindra ireo zokiolona, noho ny fikorotanan-tsaina ateraky ny feo isan-karazany, izay mety hiteraka olana ara-pahasalamana ho azy ireo.
D.R