- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversAnkadivoribe : Fasana roa indray vaky, lamba sisa navelan’ireo mpangalatra taolam-paty

Ankadivoribe : Fasana roa indray vaky, lamba sisa navelan’ireo mpangalatra taolam-paty

Nitrangana vaky fasana indray teny amin’iny distrika Atsimondrano iny ny alatsinainy lasa teo. Fasana roa no fantatra fa indray lasibatr’ireo olon-dratsy mpangalatra taolam-paty, teo amin’ny toerana antsoina hoe Antsody, ao amin’ny kaominina Ankadivoribe. Taolambalona razana maromaro no very tamin’izany, ary ny iray tamin’ireo fasana vaky ireo aza, araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandary dia tsy nisy afa-tsy ny lamba nifonosan’ireo razana sisa no navelan’ireo olon-dratsy. Lasany avokoa ny taolambalo rehetra tao anaty fasana. Io alatsinainy io, tokony ho tamin’ny efatra ora hariva no nisy nahatsikaritra fa mivoha ny varavaram-pasana tamin’ny fasana iray teny an-toerana. Nampandrenesina avy hatrany ny fokonolona sy ny tompon’andraikita isan-tsokajiny avy, niaraka tamin’ireo tompom-pasana. Tamin’izay no nahitàna fa fasana roa no indray nisy namaky. Hatreto raha ny loharanom-baovao hatrany dia mbola tsy voafaritra ny isan’ireo razana very tao anatin’ireo fasana ireo. Efa mandeha moa ny fanadihadiana ataon’ireo zandary avy ao amin’ny « poste avancé » Ankadivoribe. Fa ankoatra izay dia nitrangana vaky fasana ihany koa teny amin’iny faritra Masindray iny, omaly vao mangiran-dratsy. Razana am-polony maro ihany koa no very tao anatin’izany. Mbola mampametra-panontaniana, ary toa mijanona ho fanontaniana tsy misy valiny ny hoe, mankaiza ary iza no mandray ireny taolam-paty ireny. Tsy eto andrenivohitra irery mantsy fa na hatrany amin’ny faritra ihany koa.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici