- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversAnkandindramamy : Tsy nahazo vola ny mpanao propagandy, raikitra ny sakoroka

Ankandindramamy : Tsy nahazo vola ny mpanao propagandy, raikitra ny sakoroka

Savorovoro no nitranga teny Ambohidahy-Ankadindramamy, omaly. Olona ampolony maro no nivory sy nihorakoraka teo anoloan’ny tranon’ny Solombavambahoaka iray monina eny an-toerana. Ity farany izay fantatra, fa mpitarika ny komity mpanohana kandida iray amin’ity fifaninana ho filoham-pirenena ; izay hatao amin’ny 7 novambra izao. Ity farany izay fantantra fa isan’ireo kandida goavana ary isan’ny tsara toerana sy be mpanaraka noho izy matanjaka ara-pitaovana sy ara-bola raha jerena amin’ny zava-misy hatreto. Io lafiny io indrindra angamba no nahatonga ilay sakoroka niseho teny Ankadindramamy, omaly tolakandro.

Vory teo anoloan’ny tranon’ny solombavambahoaka iray teny, tao amin’ny tanan’Ambohidahy-Ankadindramamy ny andian’olona maromaro mba hitaky ny vola nampanantenaina azy ireo hanatrika ny hetsika ho fanohanana ny kandida iray, raha araka ny  tabataba heno teny an-toerana. Nitaraina ireto olona ireto fa tsy notanterahin’ity farany izany. Nampanatenaina hizarana  5 000 ariary isan’olona hono izy ireo nefa dia nalefa nody maina fotsiny. Tsy nanaiky izany ireto andian’olona ireto ka dia nirohotra teny an-tranon’ity depiote ity hitaky ny anjarany ary saika rombo tokoa no niseho, satria efa niakatrakatra ihany ny feo. Soa fa tonga ara-potoana ireo mpitandro ny filaminana niezaka nifehy ny toe-draharaha. Ireto farany izay nanao izay nisian’ny fifampiresahana teo amin’ireo mpikomy sy ny solontenan‘ity solombavambahoaka ity ka nampiravona ny olana , araka ny fanazavana azo avy eo anivon’ny lehiben’ny kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka  miandraikitra iny faritra iny. Ity farany izay nanamarika, fa nanaiky hiala ireo olona nivory teo ireo rahefa nandre fa tsaho izany hoe vola hozaraina izany. Fanambarana ; izay nohamafisin’ilay  solombavambahoaka voalaza tetsy aloha, raha nanazava ny tena antony nahatonga ity savorovoro ity ny tenany. Niaiky izy, fa nisy tokoa ny olona izay mpanara-dia azy nandritra ny fitsidihana nanaovana propagandy tao amin’ireo fokontany maromaro ao amin’ny faritra iadidiany ary nisy tokoa ny fanomezana solon-tsakafo ho an’ireo olona ireo. Saingy ireto andian’ olona izay tonga nanao fitakiana teny an-tranony ireto, dia tsy fantany akory ary tsy nifampiraharaha tamin’ireo mihitsy izy. Tsaho angamba no niely ka nahatonga izao sakoroka izao, hoy izy. Nilaza izy, fa efa tamin’ny 12 ora antoandro tokoa no nisy andian’olona nivorivory teo amin’ny manodidina ny tanànany. Tamin’io fotoana io anefa, izy sy ireo mpiara-dia aminy, dia mbola tao anatin’ny hetsika fampielezan-kevitra tanteraka ary tsy nisaraka raha tsy teo amin’ny 3 ora teo ho eo.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

4 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici