- Publicité -
jeudi, septembre 10, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkaraobato : Jiolahy avy nanafika voasambotry ny polisy

Ankaraobato : Jiolahy avy nanafika voasambotry ny polisy

Hiaraha-mahalala fa amin’izao ankatoky ny fety izao no tena manao ny ataony ireo olon-dratsy. Efa mivonona amin’izany rahateo anefa ny mpitandro filaminana. Toa ity tranga tetsy Ankaraobato ity, omaly. Lehilahy iray, olon-dratsy izay avy nanao fanafihana mitam-piadiana no voapingotry ny polisy. Araka ny fampitam-baovaon’izy ireo dia tao anatin’ny fisafoana ho fametrahana ny fandriampahalemana eny amin’iny faritra Ankaraobato Tanjombato iny izy ireo no nifanena tamin’ity lehilahy nampiahiahy ity. Natao avy hatrany ny fisafoana ka inona tokoa fa nahitàna fitaovana maromaro tany aminy. Tao anatin’izany ny fitaovam-piadiana toy ny antsy sy sabatra ary fitaovana fanapahana vy. Tsy lavitra teo ihany koa, hoy hatrany ny polisy no nahitana “moto cross” iray. Moto, izay rehefa natao ny fanadihadiana dia kodiaran-droa vao avy nangalarin’izy ireo. Raha ny voalaza mantsy dia nisy namany ingahirainy saingy tafaporitsaka talohan’ny nahasamborana ity farany. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy ity olona ity ho amin’ny tohin’ny fanadihadiana. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireo tafatsoaka raha ny vaovao voaray hatrany. m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici