- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkaraobato : Mpiarakandro nanolana zaza telo taona

Ankaraobato : Mpiarakandro nanolana zaza telo taona

Zazavavy kely vao telo taona monja no simba tanteraka rehefa niharan’ny herisetra ara-nofo tany amin’ny tanàna iray antsoina hoe Ankaraobato, any amin’iny distrikan’Ambato Boeny iny. Tovolahy iray 20 taona, mpiarakandro na ireny mpanaraka omby ireny no fantatra fa nahavita izao asa ratsy izao, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy.

Raha ny tatitra azo dia ny alarobia lasa teo ireo mpitandro filaminana tany an-toerana no naharay fitoriana mahakasika resaka fanolanana zazavavikely vao telo taona monja. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany izy ireo ary nikarohana izay olon-tsy vanona nahavanon-doza tamin’izany raharaha izany. Ity tovololahy mpiarakandro ity no fantatra fa tompon’antoka ka nosamborina avy hatrany sy nentina nofotorana tany amin’ny biraon’ny pôlisy. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka moa ireto mpitandro filaminana any an-toerana raha ny fantatra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici