- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkasina : Trano an-jatony nirehitra, olona valo maty may kilan’ny afo

Ankasina : Trano an-jatony nirehitra, olona valo maty may kilan’ny afo

Vatana mikarainkona sisa. Tsy nisy azo namantarana azy intsony izy valo mianaka, maty may kilan’ny afo nandritra ny firehetan’ny tanana iray tetsy Ankasina, ny alahady hifoha alatsinainy teo. Trano 112 tafo no indray kila hotohoto tamin’ity zava-doza nitranga ity, olona 400 mahery eo kosa no indray tsy manan-kialofana. Araka ny fantatra teny an-toerana dia tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina ny alahady no nipoitra tamina trano hazo voalohany ny lela afo. Tsy maty tanteraka izany raha tsy avy nandevona ireo trano an-jatony teny an-toerana, tamin’ny telo ora maraina tany ho any, ny alatsinainy. Afon-dabozia avy amin’ilay trano iray niandohan’ny afo no nahatonga ny loza raha ny fantatra. “Io trano io irery ihany no mampiasa labozia, raha ny eto amin’ity faritra ity. Tamin’io fotoana io dia hadinon’izy ireo ny namono ilay labozia nirehitra nony handeha hatory izy mianakavy” hoy ny iray tamin’ireo mponina niharam-boina. Trano misy rihana io trano io araka ny fanazavàna azo hatrany, ary tany ambony rihana no nijolofotra voalohany ny lela afo. Azo inoana araka izany fa nahazo ireo hazo mora nirehitra tao ambony ny afo ka mora ny fiparitahany. Saika trano hazo avokoa ambonin’izay ireo trano manodidina, ary nanampy trotraka tamin’ny fitombon’ny firehetana ny hamafin’ny rivotra. Niezaka nifehy izany ihany ireo fokonolona, izay raha vao niandoha ny afo dia samy nivoaka avokoa, saingy nahitam-bokany izany. Na ireo mpamonjy voina ihany kosa aza dia somary nanano sarotra ihany vao nahafaty tanteraka izany. Antony iray nampitombo ireo trano levon’ny afo. Tsy nisy azo noraisina intsony teny an-toerana. May, kila, ary zary lavenona sisa ny fananan’ireto fianakaviana an-jatony maro. Voafandriky ny afo tao an-trano ireto fianakaviana namoy ny ainy ireto tamin’io fotoana io. Fianakaviana roa moa izy ireo raha ny fantatra teny an-toerana hatrany, ary zaza am-bolana sy ankizilahy kely iray no zandriny indrindra. Samy nosokirina tao anatin’ireo tapa-porohana avokoa izy valo. Ny iray tamin’izany dia voalaza fa mbola nisy aina, ka nentina haingana tany amin’ny hôpitaly. Indrisy anefa fa tsy nahatazona azy intsony ny fitsaboana nataon’ireo mpitsabo. Efa maro ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana ary nitondra ny voin-kava mahatratra ho an’ireto tra-boina ireto.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici