Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boroborintany voalohany teny Ankasika ny tovolahy iray misandoka ho «détective privé ». Mpisoloky izy io raha ny tena marina, ary maro ireo olona manana olana ara-pitiavana no voasolokin’ity tovolahy tao amin’ny tambajotra sosialy. Manana kaonty izy ary milaza fa « détective privé » ary mahavita mitsongo dia sy maka sary ny olona tiana harahina.
« Betsaka ireo olona manatona azy ka mody manao taratasy fifanarahana izy rehefa mahazo vola. Rehefa mandeha ny fotoana dia tsy hita izay ataony ary tsy tratra antso intsony ihany koa izy ka miala maina ireo nandoa vola taminy », hoy ny fanazavana. Nametraka fitoriana noho izany ireo olona voasoloky, ka nandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana.
Tratran’ny polisy teny Ankasina ity mpisoloky ity ary rehefa nosavaina ny tranony dia nahitana karatra hosoka milaza azy ho « détective privé » sy fifanarahana maro nataony taman’olona. Nilaza ny polisy fa mbola tsy misy ary voarara ny asan’ny mpitsongo dia eto Madagasikara. Atolotra ny fitsarana ity lehilahy ity.
Yv Sam




