- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversAnkasina : Voasambotra ilay nanolana zazavavikely miisa telo

Ankasina : Voasambotra ilay nanolana zazavavikely miisa telo

Nalefa eny Tsiafahy ity mpanolana ity.

Voasambotry ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ny tovolahy iray tomponantoka tamin’ny fanolanana zazavavikely miisa telo teny Ankasina. Mipetraka eny Ankasina izy io, 20 taona ary mivarotra mofo no ataony eny. « Ireo ankizy eny an-tanàna dia efa misy mahafantatra azy indrindra ireo zazavavikely satria omeny mofo dia lasa manaraka azy any an-tranony », raha ny fanazavana.

Lasa zatra mankany aminy ireo ankizy ka nitsiry tao ny filan-dratsin’ilay tovolahy.Vitany ny nanolana zazavavikely miisa telo, izay vao 7 taona ny roa raha 6 taona kosa ny iray .

Tsy nahasahy niteny tany amin’ireo Ray aman-dreniny moa ireto ankizy rehefa samy tonga tany an-tokan-tranony. « Taitra anefa ny reniben’ny iray amin’ireo zaza fa misy fofona hafahafa mivoaka amin’ny zafikeliny ka nahatonga azy nanaitra ny Ray aman-drenin’ilay zaza. Rehefa nanontaniana ilay zaza dia nitantara ny nahazo azy sy ireo ankizy niaraka taminy » ; hoy ny fanazavana avy amin’ny polisy. Tonga teny amin’ny mpitandro filaminana ireo Ray aman-drenin’ireo ankizy nitantara ny herisetra nanjo an-janany. Noraisin’ny polisy ny andraikitra ka voasambotra teny Ankasina ilay tovolahy ary niaiky ny heloka vitany nandritra ny fanadihadiana azy.

Rehefa natolotra ny fitsarana ity farany dia naiditra am-ponja eny Tsiafahy avy hatrany.

« Tsara ny manamarika fa raha sendran’ny herisetra ara-nofo mianjady amin’ny ankizy toy izao, dia afaka mamonjy ny « Centre Vonjy » etsy Befelatanana avy hatrany ireo niharam-boina fa tsy voatery manatona Mpitandro ny filaminana. Efa misy mpitandro ny filaminana sy dokotera natokana ho amin’izany miandry ao ary maimaim-poana avokoa ny fikarakarana rehetra omena ilay zaza », hoy ny fanazavana avy aminn’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici