- Publicité -
samedi, juin 21, 2025
AccueilFaits-DiversAnkatso : Faha-71 taonan’ny nitifirana ny Lietina Randriamaromanana Albert

Ankatso : Faha-71 taonan’ny nitifirana ny Lietina Randriamaromanana Albert

Ny Praiminisitra Ntsay Christian (anoloana-afivoany), nandritra ny lanonana teny Ankatso.

Feno 71 taona katroka ny zoma 19 jolay 2019 teo, ny faha-71 taona nitifiran’ireo mpanjanatany  ireo mahery fo nitaky ny  fahaleovantenan’i Madagasikara teny avaratr’ Ambohitsaina dia ny Lietina Randriamaromanana Albert, Atoa isany:  Rakotondrabe Samuel,  Ratsizafy Samuel sy Bekamisy ary Lezoma. Ho fahatsiarovana ny fitiavan-tanindrazana izay nasehon’izy ireo tamin’izany, dia tonga nametraka fehezam-boninkazo teny amin’ny toerana nitifirina azy ireo sy teny amin’ny Toby Miaramila Rezimanta voalohan’ny Miaramila Analakely mitondra ny anaran’ny Lietina Randriamaromanana Albert ny solon-tenan’ny fianakavian’ireto mahery fo ireto sy ireo andiany niaraka taminy ary ny fitondram-panjakana. Nisolo tena ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tamin’izany, ny Praiminisitra Ntsay Christian. Narahana  fandredonana ny hira fanevan’ny Vondron’ny Tia Tanindrazana (VTTM) izany.  Nandritra ny fandraisany fitenena no nilazan’ny Praiminisitra Ntsay Christian, fa feno fitiavan-tanindrazana sy namela mamy ary lova tsara ho an’ny taranaka aty aoriana ny ohatra nasehon’ireo mahery fo. Ny tantaram-pirenena no nahatsapana ny afom-pitavan-tanindrazana izay mitoetra ao am-pon’ny Malagasy tsirairay ary nasehontsika izany farany teo, tamin’alalan’ny baolina kitra. Ho an’ny tompon’andraikitra rehetra na inona na inona andraikitra efa vitany na aiza na aiza toerana hanefany izany, dia tokony hanana fandavantena hampiaina izany afom-pitiavan-tanindrazana izany amin’ny andavan’andro. Nofaranana tamin’ny nofon-kena mitam-pihavanana tamin’ireo bekotro maroholatra sy akanga sisa nanamborana ny fotoana.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici