- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAnkatso : Mpanaparitaka vola sandoka, noraisim-potsiny

Ankatso : Mpanaparitaka vola sandoka, noraisim-potsiny

Nieritreritra ny hahavoa be angamba ranamana, saingy indrisy fa nofitahin’ny fihetsiny izy, ka nahamailo ilay mpivarotra. Tra-tehaka teo ilay vola sandoka saika hamitahany mpivarotra enta-madinika iray teny amin’iny faritra Ankatso iny. Lehilahy iray 38 taona no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriboritany faharoa, ny alatsinainy lasa teo. Nampandre haingana ny pôlisy ilay mpivarotra vantany vao naharay ireo vola sandoka mitentina 60.000 ariary, izay nokasainy handoavana ireo entana novidiany. « Somary nahavariana ny fihetsik’ity lehilahy ity, hita ho mailomailo ka mahàna avy hatrany ny mpivarotra ka nijery tsara ny vola natolony » hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy. Tsy afa-niala intsony ingahirainy, ary tonga ara-potoana ihany koa ny pôlisy. « Voaporofo tamin’izany ny maha vola sandoka ireo vola tany amin’ity lehilahy ity. Nentina nihazo ny biraon’ny boriborintany faharoa avy hatrany nanaovana ny fanadihadiana » raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici