Tamin’ny asabotsy lasa teo no niseho ny tranga iray nanolanana tovovayv roa teny amin’ny faritra Ankatso. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa, tokony ho tamin’ny 1 ora tamin’izay. Telo ireo tovovavy no niaraka. Nisy andiana tovolahy nitondra fiara nanakana azy ireo, hoy ny vaovao voaray. Avy hatrany dia notapenana lamba nisy entona nanempotra ny oron’ireto vehivavy. Tafatsoaka ihany anefa ny iray fa ny roa no nobatain-dry zalahy tao anaty fiara ary niharan’ny fanolanana. Ilay afaka nandositra moa no nitantatra ny zavanisy, rehefa avy nampandre ny mpiara- monina aminy. Efa ny alahady maraina, araka ny vaovao hatrany, vao tafaverina tany amin’ny trano fonenany ireo roa niharan’ny herisetra. Efa nentina nozahan’ny mpitsabo izy ireo ary voamarina fa niharan’ny fanolanana nataona olona maromaro.
nangonin’i r.s.