Mihorohoro indray ny mponina ao Ankazoabo Atsimo ao. Efa sahy niakatra tanàna mihitsy mantsy ireo dahalo, raha efa nilamindamina izany teo aloha teo. Ny zoma lasa teo, mpivarotra iray teo an-tanàna no notongavana dahalo efa-dahy nirongo basy. Vokany, olona roa tao amin’ity toeram-pivarotana ity no voatifitra sy naratra mafy, vola mitentina 2 tapitrisa ariary mahery teo koa no lasan’ireo olon-dratsy, niampy fitaovana sarobidy maromaro. Nirefodrefotra ny basy tamin’io fotoana io. Tsy fantatra na efa fantatr’ireto malaso ireto ny fisiana volabe tamin’io fivarotana io fa avy hatrany dia nivantana tao amin’ity tokantrano ity izy ireo. Nanao amboletra niditra, ary nanambana basy sy nandrahona ny tompon-trano. Mety ho nisy fanoherana avy amin’ireto farany angamba ka tsy nisalasala avy hatrany ireo dahalo nampiasa ny fitaovam-piadiana teny an-tanany. Nitsoaka avy hatrany ireo dahalo rehefa nahazo izay nilainy tao amin’ity mpivarotra ity. Niankandrefana ny dian’izy ireo raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Efa misokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo dahalo nahavanon-doza ireto raha ny fantatra. Nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana kosa ireo naratra vokatr’ity fanafihan-dahalo ity. Efa tsy mionona amin’ny fangalarana omby intsony araka izany ny dahalo any an-toerana ary miroso amin’ny fandrobana fananan’olona.
m.L