- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazoabo Atsimo : Omby miisa 25 lasan’ny dahalo

Ankazoabo Atsimo : Omby miisa 25 lasan’ny dahalo

 Na dia efa tafapetraka ara-dalàna aza ny Dinabe any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, izay dina ifampifehezan’ny rehetra iadiana amin’ny halatra omby sy ny fahalovana rehetra manodidina izany, sy fampiasan’ny tompon’andraiki-panjakana ny tetika maro mba hanafoanana ny asan-dahalo, kanefa vao mainka mirongatra ary miha mahery vaika hatrany tsy misy fiovana ny fanatanterahan’ireo malaso ny asa ratsiny any amin’ny distrikan’ Ankazoabo Atsimo. Ny faramparany herinandro teo dia dahalo miisa valo nirongo fitaovam-piadiana no nanafika tao amin’ny tanànan’i Mananjary, kaominina ambanivohitra Tandrano, ka lasan’izy ireo vao maraim-be tamin’izany ny omby miisa 25. Efa dify lavitra ny tanàna ireo mpanani-bohitra vao raikitra ny fanarahan-dia, ka nampanano sarotra ny fanenjehana sy fikarohana ireo dahalo, hoy ny vaovao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici