Mitohy hatrany ny tsy fandriam-pahalemana any Ankazoabo any. Nitrangana fanafihan-dahalo indray tao amin’ny kaominina Ankilivalokely, distrikan’i Ankazoabo atsimo, tamin’ny faran’ny heriandro teo. Araka ny vaovao avy any an-toerana dia olona telo no maty novonoin’ireo dahalo mpanafika. Omby 20 mahery ihany koa no nangalarin’izy ireo ary mbola tsy nisy tafaverina hatramin’izao. Noho ny halaviran’ny toerana dia voalaza fa tara ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana. Tsy niandry ny zandary na ny miaramila ny fokonolona fa nanao ny fanarahan-dia avy hatrany. Tsy naharesy tosika ireo dahalo ny fokonolona ka izay no nahafaty ireo olona telo. Lasan’ireo dahalo ny omby.
Ankoatra ny asan-dahalo dia misy ihany koa ny fanakan-dalana, ka ireo fiara mpitatitra mampitohy an’Ankazoabo atsimo amin’ny Sakaraha no lasibatra.Tranga iray teo amin’ny toerana antsoina hoe Fihiaka, tapa-bolana lasa izay. Fiara roa no voasakana ka vola mitentina 60 tapitrisa ariary eo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy, ankoatra ny entan’ireo mpandeha.
Mitaraina ny mponina noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Vao tsy ela mantsy no nanao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mahefa ny mponina. Voalaza fa tsy mandry ny tanàna ary mihemotra tanteraka ny fampandrosoana ao any an-toerana. Efa nisy ny fitarainana nataon’ny filohan’ny foko Bara ao Ankazoabo. Voalaza fa nanohitohina ireo olom-boafidy sy ireo manampahefana sasan-tsasany any Ankazoabo ny fihetsika nataon’ny filohan’ny foko ity ka nilaza ny hametraka fitoriana ho azy ireo. Nambaran’izy ireo fa manala baraka fanjakana ilay ray amandreny ny amin’ilay filazana tamin’ny haino aman-jery ny tsy fandriampahalemana kanefa dia izao voamarina izao tokoa fa misy ny asan-dahalo. « Tapenam-bava izany izay mba sahy mitaraina ary hanaovana ramatahora. Efa akaiky rahateo ny fifidianana ka samy manao izay ho hafany hanadiovan-tena ny rehetra na dia hita izao aza ny tsy fahombiazana », hoy ny fanazavana. Raha ny loharanom-baovao ihany, misy amin’ireo tomponandraikitra ireo no malaza ratsy, miray tsikombakomba amin’ny dahalo. Manao ny ataony ny olon-dratsy vokatr’izany ary tsy mipaka any ifotony ny fampandrosoana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Yv Sam