
Nikorontana ny iray tanana, tao amina kaominina iray tao Ankazobe tao. Nisavoritaka ny fokonolona, nidina an-tsehatra avokoa ny zandary fa hoe nisy trangana hala-jaza sy fakàna an-keriny tao an-toerana. Zazalahy 15 taona no tsy hita tampoka raha nilaza fa handeha ho any amin’ny toeram-pivoahana vetivety… Hay tsy izay velively no niseho. Malaza dia malaza tokoa amin’izao ny resaka halatr’olona sy vono etsy sy eroa ary efa miparitaka eraky ny faritra izany fa tsy mijanona eto an-drenivohitra irery. Ny mampalaelo dia mazana lasa ataon’ny sasany fialàna bala ilay izy mba entina hanafenana zavatra hafa. Toy ity niseho tao Ankazobe ity, ny andron’ny alahady teo. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary dia nampandrenisin’ny sefo fokontany tao an-toerana ny zandary fa misy zazalahy tsy hita popoka tao an-toerana. Niara-nisalahy avokoa ny rehetra na ny fianakavian’ny tsy hita na ny fokonolona na ny zandary niaraka nikaroka azy. Feon’olona niantso vonjy niala kely ny tanana no nanaitra ny rehetra ary rehefa nojerena dia hita tao ilay zazalahy « efa nivalomainty » hoy ny vaovao. Talohan’io mantsy araka ny nambaran’ny fianakaviana dia vao avy nametra-tsotro hariva izy ireo no nilaza hivoaka any an-gabone ilay ankizy. Tany dia tsy niverina intsony anefa ary io hita lavitry ny tanana io. Araka ny filazany dia nisy lehilahy lavabe maintimainty no nibata azy tao, nanampina ny vavany ary nitondra azy nitsoaka. Voalaza anefa fa nahay niala izy ary tafa antso vonjeo ka raikitra nitsoaka io lehilahy io. Rehefa nozohina anefa ny resany tamin’ny famotopotoran’ny zandary dia misy zavatra tsy mifandray ihany. Niditra lalindalina tamin’ny famotorana ireo mpitandro filaminana no sady niezaka nanao ny fikarohana ilay olona voalaza fa nibata azy. Mazava ho azy fa tsy hita mihitsy io olona io satria rehefa ela ny ela dia nibaradaka sy nilaza ny marina ihany ny anao lahy. Tsy misy akory io resaka fakàna an-keriny io ! Nangalatra nihinana ny voanjo nentin-dreniny izy ary mba hialàna tamin’ny fibedesana izay mety hahazo azy dia lasa namorona io lainga tsara lahatra nampisavoritaka ny rehetra io. Tsy vao io ihany moa ny tranga tahak’izany ataon’ny olona sasany manoloana ity resaka hala-jaza etsy sy eroa ity fa efa maro. Tsara marihana anefa fa heloka ary tena henjehin’ny lalàna ny fanaovana toy izany satria karazan’ny fanakorontanana saim-bahoaka ihany. Ny resaka fanjavonana olona ( ankizy) dia tena misy ary efa maro ireo lasibatra izay matetika fa indrisy dia miafara amin’ny fahiafatesana sy ny fahitàna ny vatana mangatsiaka an’ilay tsy hita foana. Efa mandray andraikitra tanteraka ny Fankajana ary samy mihetsika sy tsy manao ambanin-javatra ireo tranga ireo ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy manoloana ny zava-misy.
m.L


