- Publicité -
samedi, mai 24, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Fifandonana tamin’ny dahalo, telo maty, basy « kalach » iray...

Ankazobe : Fifandonana tamin’ny dahalo, telo maty, basy « kalach » iray sarona

Nisehoana fanafihan-dahalo mahery vaika indray tao amin’ny kaominina Antakavana, any amin’iny distrikan’ Ankazobe iny, ny faran’ny herinandro lasa teo. Omby am-polony maro no lasan’ireo olon-dratsy, izay ny sasany amin’izy ireo dia mirongo basy mahery vaika. Nisy avy hatrany taorian’io ny fanarahan-dia nataon’ireo zandary avy ao amin’iny Vondron-tobim-paritra Ankazobe. Tsy ela dia tratra ireo andian-dahalo ka raikitra tamin’izany ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Ireo dahalo moa raha vao nahita ireo mpitandro filaminana avy hatrany dia nitifitra no sady nandositra. Tetsy andanin’izay kosa dia voatery namaly tifitra ny andaniny. Fantatra teo, fa nisy telo tamin’ireo olon-dratsy no lavo ary tsy afaka manao ny asa ratsiny intsony. Tamin’ireto dahalo maty ireto no nahazoana basy « kalach » iray niaraka tamin’ny fitoeram-bala vita tamin’ny vy. Tao anatin’ity farany dia mbola nahitana bala  telo, calibre 7.62 mm. Mbola nisy vodim-bala efatra ihany koa hita tao.

Nanao tari-dositra nitsoaka avokoa moa ireo olon-dratsy, raha vao nahita an’ireo namany nitsirara. Tavela teo araka izany ireo omby nangalariny, izay nisy 25. Ireto farany dia efa saika tafaverina tamin’ny tompony avokoa. Araka ny fampitam-baovao azo, dia mbola manohy hatrany ny fikarohana sy ny fanarahana ireo olon-dratsy nitsoaka ireo zandary any an-toerana. Ny fokonolona tany an-toerana kosa no naka ny fatin’ireo dahalo ary nandevina izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici