- Publicité -
mardi, septembre 29, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Nisy nametraka vatobe ny làlam-pirenena

Ankazobe : Nisy nametraka vatobe ny làlam-pirenena

Tato ho ato, dia nanjaka ny resaka fanakanan-dàlana eny amin’ireo lalam-pirenena. Raha tamin’iny lalam-pirenana fahefatra iny, dia efa maromaro ihany izay tranga izay. Ny alarobia vao mangiran-dratsy teo, dia fantatra fa saika nisy olon-dratsy nikasa ny hanantanteraka ny asa ratsiny teo amin’ny PK 135, Andoharano amin’ny fokontany Androva Atsimo. Nahitana vatobe maromaro mantsy teo am-povoan-dalana nisakana ny arabe. Taxi-brousse iray avy any an-drenivohitr’i Boina hiakatra ny Renivohitra no saika lasibatra tamin’io fotoana io. Soa ihany anefa fa nisy zandary nanaraka tao anatin’ny fiara. Efa mailo rahateo ireto farany raha vao nahita io vato marobe ka nandray ny andraikiny ny amin’izay mety ho fanafihana. Inoana fa hitan’ireo olon-dratsy avy lavitra izany ka tsy sahy nipoitra izy ireo. Niarahan’ireo mpandeha rehetra sy ireo zandary nanala moa izany sakana izany. Azo lazaina fa afa-doza araka izany ity taxi-brousse ity. Tsy toy ilay mpitondra môtô, nosakanana jiolahy tany amin’iny faritra iny, ka nahazoan’izy ireo vola bebe ihany. Eo anatrehan’ireo, dia manentana ny rehetra hatrany ireo mpitandro filaminana ny amin’ny fanomezam-baovao sy mba hahamailo hatrany ireo mpandeha lalam-pirenena.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici