- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Nodorana velona tao an-tranony ny notafihana

Ankazobe : Nodorana velona tao an-tranony ny notafihana

Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga tao amin’ny fokontany antsoina hoe Tranokambana, kaominina Fihaonana ary distrikan’Ankazobe. Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata teo, manodidina ny tamin’ny valo ora alina no tonga nanafika ny roapolo lahy mitam-piadiana. Kalachnikov sy Mas36 ireny no nampiasain’ireo jiolahy,  ankoatr’izay mety ho fitaovam-piadiana hafa. Ny taim-bala hita teo an-toerana no nahafantarana an’izany. Tokantrano iray no lasibatr’ireo andian’olon-dratsy. Vao niditra ny tanàna aloha dia efa nirarakopana ny tifi-basy. Izany dia mba tsy hampihetsika ny olona. Tsy nisy sahy nikofoka tokoa ny olona satria mahery loatra ny herin’ny basy. Vita izay dia nanao izay rehetra hahatafidirana tao an-trano izy ireo. Mafy anefa ny hidim-baravarana satria nisy reny “grille de protection” ireny. Lasa ny adim-pamatadranandro iray mbola tsy niala teo ihany ireo jiolahy, nitady fika ny hahatafidirana tao an-trano. Adiny iray sasany mbola teo ihany. Adiny roa latsaka izay vao tapa-kevitry ny niala teo ireo. Saingy tsy niala tamin’izao fotsiny fa nodoran’ireo ny trano ary nandrasana kely ihany aza sao mba hivoaka ny olona ao anatiny. Tsy nivoha hatramin’ny farany ny trano ary dia nanao tari-dositra ireo satria efa nanomboka tonga koa ny zandary. Sempotra tao anatiny ny ramatoa iray antsoina hoe Monique ary namoy ny ainy iny alina iny ihany. Ny olona ambiny kosa mba avotra soa aman-tsara ihany. Mahatonga saina ary mampihorohoro ity tranga ity. Voalohany dia ny mahakasika ny fitaovam-piadiana nampiasain’ireo jiolahy, indrindra ny kalachnikov izay tsy misy tokony afaka mitazona ankoatra ny mpitandro ny filaminana. Avy aiza izany no niavian’izany? Faharoa manarak’izany, adiny roa latsaka mbola teo ihany ny jiolahy. Izany hoe na nanafatra angidim-by avy ato an-drenivohitra aza mbola tsy tara ny fidinana an-tsehatra. Mipetraka ihany ny fanontaniana hoe atao inona fotsiny ireny fitaovana lafo vidy novidiana tamin’ny volam-bahoaka ireny raha tsy tokony hanavotana azy? 

D.R

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici