- Publicité -
mardi, septembre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Taxi-brousse nivadika nandratra olona 12

Ankazobe : Taxi-brousse nivadika nandratra olona 12

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tamin’iny lalam-pirenana fahefatra iny, ny andron’ny alakamisy teo, teo amin’ny PK 122+80, toerana antsoina hoe Manankazo, distrika Ankazobe. Fiara taxi-brousse avy any Sambava ary handeha hiakatra aty an-drenivohitra. Vokany, am-polony ireo naratra mafy ka ny telo tamin’ireo dia ankizy kely avokoa.

Araka ny fampitam-baovao azo dia vokatry ny fandehanana mafy sy ny tsy fahafehezan’ny mpamily ny familiana intsony no nahatonga ity loza mahatsiravina ity. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany tany no nitranga ny loza, raha iny niala kely ny tanan’Ankazobe iny, ka nihazo lalana mahitsy somary midina. Nivaly fiodinana tampoka anefa izany ka teo no tsy voatana intsony ilay fiara fa dia nivadibadika ary namarana ny lalany tany an-kady taorian’izay. Potika tanteraka ilay fiara. Tsy nisy kosa anefa aina nafoy, raha ny vaovao azo, saingy kosa, nahatratra hatrany amin’ny 12 isa tany ho any ireo mpandeha no naratra mafy vokatr’izay. Tamin’io fotoana ihany moa dia efa natao ny famonjena haingana ireo naratra, izay nentina namonjy ny hôpitaly tao Ankazobe ary nentina niakatra aty an-drenivohitra ny hafa. Efa saika nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa izy rehetra. Ankavitsiana sisa angamba no any amin’ny hôpitaly, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Ny mpamily ihany koa dia anisan’ireo naratra, voa teo amin’ny tanany ary efa nalefa notsaboina. Aorian’izay araka izany vao afaka manokatra ny famotorona ry zareo zandary avy eo anivon’ny tobim-paritra Ankazobe.

Marihana fa amin’ny fotoam-pialan-tsasatra tahak’izao no tena ambony dia ambony ny tahan’ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ireo lalam-pirenena. Antony mahatonga ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ho hentitra tanteraka amin’ny fampanarahana ny lalàna ho enti-misoroka izay loza izay. Olana ara-teknika eo amin’ny fiara, tsy fitandreman’ny mpamily, faharerahan’ny mpamily, fandehanana mafy, … ireo amin’ny ankapobeny no antony mahatonga ny loza, kanefa dia zavatra azo hialàna tsara mihitsy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici