- Publicité -
vendredi, septembre 4, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Tovolahy novonoin’ny miaramila fa nangala-bady

Ankazobe : Tovolahy novonoin’ny miaramila fa nangala-bady

Tovolahy iray 25 taona no hita naratra sy potipotika endrika tanteraka tao amin’ny toerana antsoina hoe Ampatsakana ao amin’ny distrikan’Ankazobe ny Alakamisy 7 Aprily lasa teo. Araka ny loharanom-baovao mari-pototra dia herisietra nataon’ny andiana miaramila no nahazo ity tovolahy ity. Araka ny filazan’ny vavolombelona tamin’izao raharaha izao dia miaramila nitondra fiara tsy mataho-dalana avy nisotrosotro tao amin’ny bara iray no naka ity tovolahy ity tao amin’io toerana io tokony ho tamin’ny 7 ora  tany ho any. Nasiana rojovy ary noetin’ity fiara nankeny akaikin’ny tobin’ny zandary ka noheverina fa hoe hatolotra ireto farany. Tsy izany anefa no nitranga fa daroka sy vono no natao azy rehefa tonga teo. Taorian’izay dia nentin’ireo miaramila nankao amin’ny toerana mifefy tamboho akaikin’ny bara iray ao amin’ny tanaàna antsoina hoe Ampatsakana izy. Nony tonga tao dia mbola nitohy ihany ny famonoana azy ary tsy navelan’ireo mpitandro ny filaminana ireo raha tsy efa tsy nahatsiaro-tena tanteraka. Nisy nahita izany rehetra izany saingy nilaza ireo vavolombelona fa tsy afa-nanoatra satria norahonana basy. Taorian’izay dia lasa nirifatra nadositra ireo miaramila rahefa avy nanesotra ny rojovy nafatotra tamin’ny tananan’ilay tovolahy. Rehefa nahatsiaro-tena ity farany vao nandady namonjy tranon’olona tsy lavitra teo. Ireto farany no niatso ny fiaakaviany avy eo ka nitodra azy namonjy toeram-pitaboana.

Ady vehivavy. Manolana ity tranga ity dia nilaza ny teo anivon’ny Etamazaoron’ny  Tafika fa efa nanokatra fanadiahadiana momba ity raharaha ity.  Teo no nahafantarana fa tsy ireo miaramila efatra voalaza etsy ambony ireo mihisty no nanao herisetra tamin’ity tovolahy ity fa ny iray tamin’izy ireo ihany. Ity farany izay nilaza rehefa nohadihadiana fa valifaty no antony nanaovany izany. Mpinamana mifankahazo am-po tokoa izy sy ilay tovolahy voadaroka ary tena mifampiditra an-trano mihitsy. Nisy fotoana anefa, nivadihan’ity tovolahy sivily ity ilay miaramila namany ka nangalariny ny vadiny. Tena tratra ambodiomby mihitsy ity sakaiza manody tamin’io saingy afa-nandositra ka ny harivan’ny alakamisy 7 aprily io vao nifandona ny roa tonta rehefa avy namita iraka tany amin’iny faritra Ankazobe iny ny tompom-bady. Andrasana araka izany ny ho tohin’ity raharaha izay mety haharatsy endrika ny Takika malagasy ity.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici